Diam-penina

Carte téléphonique mora fiantsoana any Dago

Sao mahasoa ! — Nampidirin'i fraz @ 18:04

Efa nisy resaka mikasika an'ity moa tany aloha tany, ary efa nisy fika fiantsoana maimaim-poana mankany Madagasikara mihitsy aza, fa indrisy fa efa tsy mandeha intsony moa izy amin'izao. Dia tao amin'ny forum aho nahita hoe misy an'izany carte World Talk 75 mn izany indray, tsy haiko hoe aiza no toerana hividianana azy.

Ny fampiasako amin'izao fotoana izao, ary efa elaela ihany izay dia ny TONEO ao amin'ny  http://www.centraltelecom.fr/ . Misy karazana roa izy io dia ny 7,5 euros (maharitra eo @ 86mn théoriquement), ary misy ny 15 euros. Rehefa miakara amin'ny coût de connexion izy mantsy dia somary mihena kely.

Io carte TONEO dia en ligne no mividy azy, na izany amin'ny carte bancaire ireny na amin'ny paypal. Matetika tsy mora hita ao amin'ilay site ny misy an'ilay carte ka mba hanafaingana azy, raha efa nividy taloha dia tonga dia mankao amin'ny Mes Achats dia avy ao fotsiny no manao Ajouter au Panier avy eo.

 


Ka hoe mora dia mba nandefa koa

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 23:22

Teo alohaloha aho dia nandefa entan'olona mankany Madagasikara amin'ny alalan'ny MIDEX (fret ORLY : Zone Juliette) satria raha ny heno dia ao izany no mora indrindra amin'ny resaka fandefasana entana.Rehefa tonga ao amin'ilay toerana ianao dia efa misy gasy maromaro ihany koa efa mpandefa entana ao.

Asain-dry zalahy apetraka eo ambony mizana lehibe izay ny entana rehetra dia lanjaina dia mameno taratasy isan-karazany sy ny momba ny entana. Afaka asiana, afaka tsy asiana anarana ny entana. Rehefa vita izay dia miakatra any amin'ny rihana ambony mandoa ny sarany.

Ny sarany dia  4 euros ny kilao raha mandeha Alakamisy. Ka tonga dia io no nofidiako. Manome rosia ry zareo avy eo ary omeny ihany koa ny adiresy hakana azy any Antananarivo (toa eny Andraharo angaha izy izay). Dia ny Alatsinainy manaraka an'iny no tonga ny entana.

Dia tonga tokoa ny entana, ka raha entana novidiana dia matetika takian-dry zareo ny rosia orizinaly. Izay izy théoriquement.....Fa pratiquement izy mbola misy an'ilay antsoina hoe mandalo douane :-( (tsy tafiditra tao anaty paramètre :-)).

Ny dikan'izay dia mbola mety misy vola aloha.... ary tena nisy tokoa satria mahatratra 80% ny totalim-bidin'ny entana rehetra ny saran'ny douane naloha. 

Expérience daholo ny fiainana, raha tsy andramana tsy hita ! 


Tahak'izay aho mba ratsy fanahy

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 23:23

Nisedra olana kely izahay satria nisy nangalatra ny piesy sasan-tsasany amin'ny fiara (kodiarana, seza, ary jiro aloha). Dia lasa moa izany nandeha nankany amin'ny polisy (izay no tao an-tsaina voalohany) nanao déclaration dia sady nanontany an-dry zareo hoe inona no tokony atao avy eo. Antsoy hoy izy ny assurance-nareo.

Dia niantso ny assurance satria hoe misy assurance contre le vol tsinona ilay izy. Tsy misy problème hoy ry zareo fa misy franchise aloha kely fotsiny ka antsoy ny mondial assistance hanao remorquage ny fiara dia ateriny any @ garage agrée amin'ilay assurance avy eo dia miandry ny expert hanao constatation sy évaluation ny dégat. Mbola mirindra tsara hatreo an.

Dia nandalo tany @ ilay garage ny expert (expert hono mantsy ny filaza ny olona manao constatation)  hanao ny asany. Dia avy eo moa aho niantso an'ilay garage nanontany vaovao : hoy ry zareo tao hoe antsoy ilay expert fa misy zavatra tsy cohérent hitany hono.

Dia niantso an-dranamana (expert izy amin'io an) aho dia manomboka amin'izay ny tantara : 

- Nanao ahoana ho'a ny valin'ny évaluation nataonareo ?

- Dia hoy lery hoe  : Tena tsy mifanaraka amin'ny déclaration nataonareo hoy izy ny zavatra hitako

- Fa ahoana ho'a izany ?

-  Ny seza hoy izy tsy d'origine, ny jiro tsy mifanaraka ny fil sady misy tranonkala ka tsy hay hoe ahoana no nahatonga an'ireo piesy ireo niala tao. Sady tsy misy facture hoy izy ilay izy.

- Nanomboka zendana aho teo sady miakatra ny feo : Efa ohatran'io ho'a no nividiananay azy ( marihana fa dokazy ilay izy) ka izaho ve ho'a handeha hividy dia handinika hoe d'origine ve zany seza zany ? Marihiko ho'a fa nisy contrôle technique ara-dalana io tamin'ny nividiananay azy.

- Ka tokony natao contrôle technique izany hoy izy , tsy conforme e, blablabla be teo

- Ka maninona ary ho'a ny assurance no nanaiky hanao contrat raha izany ? Ary ny fahalalako an'izany expert izany ho'a tokony hoe manao ny évalutation ny zavatra tokony soloina fa tsy lozana manisa ny tranonkala. Raha izany ho'a andeha mba hanao expert koa aho. sao dia heverinareo fa mahafinaritra ahy ary ho'a ny handeha hifanamerda sy handany andro hanao an'izao sy izao. Ohatran'ny heverinareo fa hoe izahay ho'a zany no migafy ny tomobil mba hahazoana remboursement.

- Ka izay hoy izy ny constatation  fa anjaranareo sy ny assureur no mijery ny tohiny.

- ppfff notapahiko haingana moa ny tel fa mandreraka na ny miresaka  @ lery aza.

....

Dia naharay ttsy avy @ ilay expert be teo omaly manamafy hoe tsy mifanaraka @ déclaration nataonareo ny constatation nataoko. Manana délai 15 jours nareo hanaovana contre-expertise fa nareo andefa  no miantoka ny expert alainareo amin'izay ( 450 euros eo ho eo). Raha tsy misy valiny alohan'io dia raisiko toy ny foana ny déclaration nataonareo ary tsy manana droit @ remboursement ianareo.

Rehefa avy nijerijery forum etsy sy etsy dia efa fanaon-dry zalahy ilay izy. Ny cas-nay aza tsy dia pire loatra kanefa kosa ny zavatra tsapa dia mitovy ho an'ireo izay tratrany (leo, tofoka, romotra, ... tsy haiko ntsony). Raha fantatro mialoha izao zavatra izao dia naleoko izaho ihany no nanamboatra ny fiara. Ianao manao déclaration am-pahatsorana ary tsy mieritreritra ny hamely ny assurance fa kosa mba mitaky ny droit-nao ara-dalana (izay no handoavam-bola isam-bolana), ry zareo etsy an-daniny tena manalika sy manafitohana ary ataony mihitsy izay hahaela ny traitement ny dossier.

Fehiny : Na assurance tous risques aza dia tandremo fa ataon-dry zareo izay hialana pa (vakio tsara mihitsy ny contrat). Raha zavatra kely no voa, aleo tsy déclarer-na fa hamboarina fotsiny dia milamina na azo atao koa ny mifanafitohina amin-dry zalahy hatramin'ny farany miantso ny protection juridique fa ny olana amin'io maharitra ela (18 mois ) ny fiandrasana.

 


Hery Rakotomanantsoa

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 19:44

Raha sendra mahita an'ity i Hery Rakotomanantsoa na misy olona mahalala azy dia mba hiangaviana hametraka mail hahafahana mifandray aminy.

Mpiara-mianatra sy mpinamana ary samy mpilalao Echecs izahay. Nipetraka tao Anatihazo Isotry izy taloha fa izao tsy haiko intsony.

Misaotra indrindra. 


K7 tamin'ny androny

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 18:54

Efa lasa lavitra mihitsy moa izao ny teknolojia ankehitriny ary ireo mpanamboatra dia miezaka ny mba hanao zavatra mora ampiasaina sy tsotra be hatrany, lasa any indray manko izao no tian'ny olona.

Fa raha hiverenana kely ny andron'ny K7, indrindra ireo radio K7 misy azo hambara ihany :

- Voalohany aloha tsy tonga dia fantatrao avy hatrany na mivadika na tsia ny K7 ampidirina raha tsy hoe efa zatra mampiasa matetika. Madainga angamba izay miteny hoe tsy namadika K7 mihitsy tamin'ny nampiditra azy na amin'ny tranony io na amin'ilay fandefasana azy :-)

- Faharoa, ny K7 dia misy face anankiroa : A sy B no fiantso azy fa io koa dia tsapa vitan'akoho raha sendra hoe tsy misy soratra ka rehefa tsy face A izy izay dia face B...

- Fahatelo : Tsy afaka tonga dia hoe mihaino izay hira tianao avy hatrany ianao fa na manindry touche REW na FF. Raha misy hira fihainonao matetika izany dia ny hatevin'ilay bande fotsiny no atao répère hoe rehefa tatak'izao ny hateviny dia tokony mitontona eo @ ilay hira izay. Rehefa hianatra tononkira izany moa dia miasa matetika mihitsy ny touche STOP sy ny REW :-)

- Fahaefatra : Ny aza mba tapaka ny bande aloha fa tonga dia vita ny hira e. Azo hatohy amin'ny scotch ihany izy ka raha tsara vintana dia mba tsy heno ilay misaoty tampoka be. 

- Fahadimy : Rehefa hanao enregistrement ianao dia tsy maintsy tsindriana miaraka tsara ny touche PLAY sy REC 

- Fahaenina : Ny tena gravy dia ity. Indraindray moa rehefa mahita tournevis iny dia mba te hanokatra mba hijerena ny ao anatiny; mba hoe hanadio sy hanala kadradraka e :-) dia nisy karazana modely na radio K7 maromaro taloha ka rehefa voaala daholo ny vis rehetra dia mbola misy miraikitra ihany dia ny réaction hoe sintomina kely mafimafy dia mivaha; ary dia mivaha tokoa fa saingy tapaka avy hatrany ilay plastika kely fanaovana EJECT sy fanidiana azy iny dia eo no raisina fa lasa misanilanila tazomina amin'ny scotch sisa ilay fanidiana azy. Rehefa mamaha azy izany dia tsy maintsy avela hisokatra aloha (EJECT) izay vao sintomina. In-3 tratran'io aho fa tena fay !!!

Tamin'izany androny mantsy nalaza be ny K7, indrindra teo @ hotel de ville taloha teo ary isaky ny zoma dia misy nouveautés foana . Amin'izao moa dia efa any @ CD sy ny DVD indray no tena mandeha.

 


Hanokatra blaogy resaka eseky

Echecs — Nampidirin'i fraz @ 18:08

Tafaresaka tamin-dra Lapino sy ra Simplex aho omaly tolak'andro dia nisy resaka nandeha tao fa hanokatra blaogy miresaka eseky ka i simplex no hiandraikitra azy. Efa nanandrana nanokatra izy omaly fa ohatran'ny tsy mandeha  ny mail eto @ serasera ka raha afaka fandrihan'ny tompon'andraikitra mialoha ny eseky.blaogy.org dia hisaorana azy.

Nilalao tamin'ny lapino koa aho omaly fa dia  asa zay kotranan'izy mitsamy ao fa tena nivoatra be mihitsy nedala. Ny tena atao ao amin'ilay blaogy vaovao hono izany dia karazana analyse na partie dia samy maneho ny heviny eo daholo. Ankoatr'izay dia miresaka manodidina ny tontolon'ny Eseky ihany koa.

 


[Chess] - Tafaresaka tamin'i Didier Ratiarison

Echecs — Nampidirin'i fraz @ 17:47

Namonjy fivoriam-pianakams moa izahay tamin'ny sabotsy teo dia nihaona tamin'i Didier Ratiarison aho, samy vinanto mantsy izahay (mpianadahy ny rafozana) . Ho an'izay tsy mahalala dia Didier Ratiarison dia efa Champion de Madagascar tamin'ny Echecs (efa im-pito angamba raha tsy diso ny fitadidiako) tamin'ny taona 80-90 tany ho any.

Resaka Echecs moa no tena betsaka nataon'lery, miresaka ny situation any Madagasikara hoe tsy dia be intsony ny sponsor tamin'izy nikarakara tournoi farany tany. Efa namporisihan'ny minisitra mihitsy aza hoe hisahana ny federasionina fa nihemotra noho io antony voalaza eo ambony io. Betsaka ny Malagasy no mahay Echecs kanefa tsy afaka miantehitra amin'io be loatra.

Ankoatr'izay moa dia niresadresaka ny tournoi eto Frantsa. Izy dia mpanafika an'ireny tournoi international ireny, izay matetika hahitana an'ireo GMI na MI avy any antsinanana. Toa milaza handray anjara amin'ilay tournoi amin'ny volana mars 2007 ho avy izao ao Yvelines ao nedala.

Misy gasy mpilalao Echecs ao Strasbourg angamba  mety mahalala azy tsara. Ny fomba filalaony dia agressif (taktika) be , tsy misy miditra loatra amin'ny positionnel izy, raha mitamatama mety matiny raim!

 

 


[Chess] Topalov vs Kramnik - Elista 2006

Echecs — Nampidirin'i fraz @ 23:11

 

Tsy maintsy misy zavatra mikorontana kely foana. Amin'izao dia misy ny atao hoe match de réunification izay hihaonan'ny champion du monde FIDE : Topalov amin'ny champion du monde classique : Kramnik ; izay mandresy amin'izy ireo no ho lasa champion du monde tokana. Nohon'ny tsy fitovian-kevitra tany aloha tany mantsy no nahatonga an'ireo hizara toy izao, nanomboka tamin'ny nihaonan'i Kasparov sy i  Nigel Short.

Dia mandeha moa izao ny fihaonana ataon'izy mirahalahy; mitarika amin'ny isa 3 noho 1 izao i Kramnik. Dia tsy maintsy misy foana ny sampona fa tsikaritry ny ekipan'i Topalov hoe tsy dia maharitra loatra eo amin'seza hipetrahana i Kramnik rehefa avy manetsika fa mandeha amin'ny trano fisainana foana; dia mijery kely hoe efa nanisaka ve i Topalov dia miverina any indray. Lasa ny ahiahin'izy ireo ka nametraka fitarainana. Heverin'izy ireo mijery ordinatera ao amin'ny trano fisainana ao angamba. Somary sendaotra tamin'izany fihetsika izany koa ry zareo ao amin'ny ekipan'i Kramnik.

Mbola misahotakotaka be ilay fa androany izao no tokony hanao ny fihaonana faha-dimy dia tsy tonga teo amin'ny toerany Kramnik. Niteny izy moa hoe rahampitso no hilalao an'io. Ny mpitsara kosa dia efa nanapa-kevitra fa hoe forfait i Kramnik tamin'iny lalao faha-dimy iny.

Ho hita eo ny tohiny indray rahampitso. Izay te hijery dia afaka manaraka mivantana amin'ny http://playchess.com (mila maka an'ilay client) miaraka amin'ny commentaires en direct. Mety betsaka ihany koa ny broadcast live any ambadika any. Ny ao amin'ny http://www.chessbase.com/ koa dia manome vaovao matetitetika ihany.

 

14/10/06 : Ny position farany

 

16/10/06 :  Video mamintina ny fihaonana farany miaraka amin'ny conférence de presse http://www.youtube.com/watch?v=va9Hxr7bfEk

 


Asa marika : miasa ny imagination :-)

Tsikaiky — Nampidirin'i fraz @ 23:48

Maths jokes ............ 

 

 


Tsy planeta intsony hono Pluton

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 17:56

Nesorin-dry leirony (UAI) tsy ho planeta intsony hono ra  Pluton fa toa tsy mahafeno ny fepetra amin'izany, kely loatra. Lasa planète naine indray izy izany. Dia lasa 8 indray izany ny isan'ireo planeta ao anaty système solaire. Miova daholo indray ny lesona rehetra ampianarina.

Izany akory tsy mampiova ny fiainana fa ny masoandro dia hitohy hiposaka foana fa mba vaovao fotsiny iny. (Source Metro) 


Mbola malaina be

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 16:25

Mandalo kely fotsiny fa mbola malaina be, miezaka miverina tsikelikely amin'ny tontolo nosafidiana. Nifanena tamin-dra Hery tany @ fihaonana serasera moa izaho sy ra RTN tamin'ny asabotsy 19 Août 2006 teo, miaraka tamin'ireo namana samihafa mazava ho azy.
 

Fehiny : Video nalain'i RTN sy  sary nalain'i ds

 


Fikirakirana fiara

Sao mahasoa ! — Nampidirin'i fraz @ 16:09
Ity misy sehatra (forum) anankiray ho an'ireo mpikirakira fiara (Ny ankabeazany hita ao daholo, ny resaka Tuning ho an'izay mankafy an'izany, ny nettoyage, entretien, réparation,...). Alohan'ny handehanana any amin'ny garazy aloha dia jereo ao sao dia mba misy azo atao. Rehefa kamo na tsy misy fika intsony na tsy misy fotoana dia izay vao mankany amin'ny garazy. Misy topic tonga dia mamintina mora hijerena azy ihany koa.

PMU garanti 100% mahazo

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 07:46

Mitangorona ny olona teo andohan' Analakely teo, teo ampitan'ny Firaisana I dia mba nijery hoe inona ary izany dia io ranamana iray miaraka amin'ny cahier 100 pages eo ho eo efa feno soratsoratra sy chiffres be dia be. Feno sary géometrie be dia be, misy triangle isocèle, polygone, ireny miaraka amin'ny chiffre eny @ sommet, izay rehetra mety handresena lahatra hoe mitombina ny zavatra ataony, dia miaraka @ taratasy maromaro misy ny valin'ny PMU tany aloha hanamarinana hoe tena mitombina ny théorie an'lery. Betsaka aloha ny rarakivy e :) . Mandeha daholo amin'izany ny lanjan'ny Jockey, ny numero entin'ilay soavaly, izay misy chiffre azo ampiasaina rehetra.

Izany hoe raha ny tokony ho izy izany dia mahazo PMU foana lery matetika na isaky ny mihetsika. Receveur na taxi-be ny asa ataon'lery.


Dia ny manomboka mahagaga dia manampy ny olona hahazo lery ka ny olona no asainy mividy ticket dia izy no manome ny numero izay "sur 100% fa mahazo" sady ordre mihitsy hono an! Ny takalony dia 5000 Fmg isaky ny ticket vidiana (izany hoe mety hoe be dia be indray zany ny numero mahazo raha izany :))

Dia mba lasa ny saina hoe raha resaka chiffre sy calcul isan-karazany ve no hahazoana an'io tsy efa faillite ny PMU ?

Izaho aloha mba efa nahazo tiercé fa désordre e :-) (120 000 Fmg) ... fa tsy nampiasa triangle isocèle aho tamin'izay.....


Economie d'énergie

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 06:03

Ireo firenena tsirairay dia samy manana ny fomba ataony mba hahafahana mitsitsy ny angovo ampiasaina, ny ankabeazan'ny ao amin'ny faritr' Europa izao dia nisafidy ny changement d'heure mba hoe amin'ny andro mazava ny mpiasa no tokony hiasa fa tsy mbola mila ampirehetina ny jiro, ao ny mampiasa ny énergie éolienne (avy amin'ny rivotra), ao ny énergie solaire (avy amin'ny hazavana sy hafanana), ary tsy adino ihany koa ny délestage

Dia eo amin'ny resaka solika indray, mba hiadiana amin'ity vidiny miakatra ity foana dia betsaka ny manomboka mitoti-doha amin'ny fanamboarana solika avy amin'ny zava-maniry, rehefa nodinihina anefa dia somary tsy dia mifanalavitra ny coût hanamboarana azy (mba tsy hilazana hoe somary lafo kokoa aza), ka mety hoe any @ voiture électrique indray no mihainohaino na miverina amin'ny taloha  e, atosika amin'ny tanana !! :) 


Famatorana kravaty

Sao mahasoa ! — Nampidirin'i fraz @ 11:40
Taloha tamin'ny mbola tsy nahay namatotra aho dia miantso olona foana hoe ity mba afatory, farany hoe tapa-kevitra hoe handeha hianatra. Tamin'ny internet aho no  nianatra namatotra (taona 1999), vetivety ihany dia hay. Ireto misy site anankiroa ohatra misy fianarana azy http://www.tie-a-tie.net/ na ity http://www.noeud-de-cravate.com/. Jerijereo ihany koa ny resaka Lavallière ho an'izay hanambady.

Handefa vola

Sao mahasoa ! — Nampidirin'i fraz @ 09:17

Ankoatran'ny Western Union izay hahafahana mandefa vola dia misy ihany koa ny madachange sady tsy dia misy protocole be atao no sady haingana. Jereo ao amin'ny siten-dry zalahy ao ny birao misy azy. Toa manao zavatra hafa ihany koa ry zareo, mivarotra entana sy ny sisa. Jerijereo ao sao mahasoa .

Raha misy mahafantatra hafa koa dia mba zarazarao e, fandefasana entana ...


Papa no fiantson'ny ankizy an'i Dadanay

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 09:01
Mpampianatra asa marika (matematika) no nahafantaran'ny be sy ny maro azy. Nampianatra tany Antsirabe sy tao Antananarivo izy. Naharitra teo amin'ny 27 taona teo ho eo izy no nampianatra asa marika tao amin'ny ESCA Antanimena. Izaho dia anisan'ny mpianany sady zanany rahateo. Betsaka ireo ankizy mpianany no tsy nanadino azy, betsaka koa ireo izay tena natahotra azy tamin'ny izy ireo mpianany, rehefa hanao examen izany dia misy tena migogogogo mitomany mihitsy (tena marina io)

Mangina heno hatramin'ny lalitra maneno ao am-pianarana rehefa mampianatra izy, izy anefa tsy masiaka nefa tsy hentitra be ihany koa. Raha tia mikirakira marika dia tsy heno akory ny fandehan'ny adin'ny roa.

Tamin'izaho mpianany dia mitovy amin'ny ankizy rehetra ihany. Roa taona aho no mpianany izany hoe 1ère sy Terminale. Classe de seconde aho no nampiany farany teo amin'ny famerenana any an-trano, fa nanomboka teo dia nandeha samy irery, indraindray fotsiny izy no manampy kely taty aoriana. Ny zandriko vavy koa dia nampianarina taty aoriana fa vetivety ihany, avy eo moa izy nijanona nisotro ronono.

Amin'izao izy dia tsy mampianatra marika intsony, ny manao mots croisés amin'ny gazety sy boky ireny no tena fialam-boliny. Anisan'ny tia
mamaky boky be ihany koa izy.

"Papa" moa no surnom fiantson'ny ankizy azy tany am-pianarana. Dada no kosa fiantsonay azy any an-trano. RAZANAMPARANY François no tena anarany.

Ahoana tokoa ny fanalana ranomainty e ?

Sao mahasoa ! — Nampidirin'i fraz @ 13:15
Ahoana ny mba fanalana ranomainty t'stylo amin'ny akanjo e ? Tena mba
nikosoka ihany aho fa eee. Taloha aho mantsy mba nanandrana an'ireny eau de
javel ireny fa tena na tsy ranomainty aza afaka daholo ka tsy te hampiasa
an'io intsony aho
Misaotra ho an'izay manankevitra.

Tena misy ny OVNI

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 12:42

Efa hatramin'ny kely aho no voasarika tamin'ity resaka OVNI sy extraterrestre ity. Nahita lien anankiray nisy nandefa tao @ wanadoo tao ka apetrako eto dia jerijereo fa misy témoignage sy zavatra mahavariana maro. Vakio ato ary.

Ohatra fotsiny hoe iza no manao an'itony sary itony ? Efa nisy olona nanandrana mantsy fa tsy nahavita azy tao anatin'ny fotoana fohy .Jereo ato misy karazany maromaro.

 


Lasa Zidane sy Materazzi indray no malaza

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 08:50

Italie no Champion du Monde 2006 fa ny tena mameno ny gazety eran-tany dia ny  afera Zidane sy Materazzi. I Zidane moa dia nilaza fa haneho ny heviny atsy ho atsy, The Guardian koa dia efa namoaka ny mety ho fifamaliana nataon'izy mitsamy, ny SOS Racisme mitaky enkety avy amin'ny FIFA dia ho hita eo ny tohiny.

Video mamintina ny sagan'asan'ingahy Materazzi : Jereo eto (Mpamely gaigilahy ihany nedala an)

 


Ny Kristianina no betsaka indrindra eto an-tany

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 15:17

Amin'ny resaka finoana dia ny mpino Kristianina no betsaka indrindra eo amin'ny 2  billion eo, manaraka ny Silamo  eo amin'ny 1.3 billion ary ny fahatelo kosa dia ireo Athé izay miisa 1.1 billion.

Ireo no hita ato amin'ny ity fampitahana ity . Hahitana ihany koa ny mikasika ireo finoana samihafa misy izy io sy ireo hevitra fonosiny.

Fanamarihana : Ilay billion resahiny io dia azo adika hoe 1 000 millions amin'ny firenena hafa (Frantsa, Allemagne). Ny billion any U.S mantsy (mino aho fa any angamba io) dia 9 ny isan'ny 0 , any amin'ny hafa kosa ny billion --> million indroa --> 6 * 2 = 12 ny isan'ny 0 . Fa na izany na tsy izany aloha mitombina foana ilay fandaharana azy.

 


Mahavariana ity atidoha ity

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 13:05

Anisan'ny mahavariana ny misiterin'ny zava-bitan'ny atidohan'olombelona. Ohatra fotsiny ity ambany ity : tsy misy mihetsika mihitsy amin'ireo sary ireo. Raha hijery ohatra misimisy dia alaivo ato

 

 

 


Ny brésil no ho tompon-daka amin'ity 2006 ity

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 13:40

Mbola mitohy ihany ny fandraisana zavatra mahaliana avy amina bandy akama espagnole izay. Vakio indray ity eto ambany ity :

 

Faut-il regarder les matchs de Coupe du Monde

… alors que le vainqueur est déjà connu ?!

 

Le Brésil a gagné la Coupe du Monde de 1994, avant cela son précédent titre de Champion du Monde était en 1970.

> Si vous additionnez : 1970 + 1994 = 3964

> L’Argentine a gagné sa dernière Coupe du Monde en 1986, sa précédente étant en 1978.

> En sommant les deux années on obtient : 1978 + 1986 = 3964

> L’Allemagne en revanche, a gagné sa dernière Coupe du Monde en 1990. Avant cela, son précédent titre de Champion du Monde était en 1974.

> De la même façon, on trouve 1990 + 1974 = 3964

> En suivant cette logique, on pourrait déduire le gagnant de la Coupe du Monde 2002. Pour cela il suffirait de regarder qui l’a gagné en 3964 -2002 = 1962.

Cette année là, ce fut bien encore le Brésil qui la gagna ! ... Comme en 2002 !

> La numérologie parait vraiment très fiable ...

> Qui gagnerait la Coupe du Monde en 2006 dans ce cas ?

>  Réponse : 3964 - 2006 = 1958

> Et qui l’a gagnée 1958?.... .....

 

> LE BRESIL !!!

 

 

Mahavariana an !! Izany eo ihany fa izaho aloha maka an-dry zalahy e  ! 


Torimaso adin'ny firy ihany no ampy ary

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 12:22
Raha vao latsaky ny adin'ny valo ora aho no matory dia tsy mety ampy mihitsy ny torimasoko ary rehefa hariva vao tena mitaky.
Hany ka vao tonga ao an-trano dia mamerina maka kely , io moa no filazanay azy :-)

Mahagaga ahy ihany ry zalahy sinoa ireny mahavita matory adin'ny efatra na adin'ny roa fotsiny .
Raha misy mba manana torohevitra amin'ny resaka torimaso dia mba omeo hoe handinihina azy.

Recyclage Informatique

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 10:01
Betsaka ny zavatra azo ampiasaina an'ireo ordinateur taloha. Ohatra vitsivitsy :
Free Image Hosting at www.ImageShack.us Free Image Hosting at www.ImageShack.us Free Image Hosting at www.ImageShack.us Free Image Hosting at www.ImageShack.us Free Image Hosting at www.ImageShack.us Free Image Hosting at www.ImageShack.us Free Image Hosting at www.ImageShack.us Free Image Hosting at www.ImageShack.us Free Image Hosting at www.ImageShack.us Free Image Hosting at www.ImageShack.us Free Image Hosting at www.ImageShack.us Free Image Hosting at www.ImageShack.us

Jeu de logique kely

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 09:12

Andramo anie ity kilalao ity e :-) . Télécharger-o ilay fichier Excel. Mandahatra sobabaka izy io ka toy izao ny départ :

 

 Dia toy izao ny tanjona :

 

 


Sudoku

Tsikaiky — Nampidirin'i fraz @ 14:51

Misy bandy espagnole akama izay mantsy mizara zavatra mahaliana sy mampihomehy ireny foana amin'ny mail fa mba anisan'ny nampihomehy ahy ity proverbe asiatique nalefan'lery ity androany : :-)

SI TU AS LE NORD DEVANT TOI
TU AS FORCEMENT LE SUDOKU

 


Site fizarana secret

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 13:12

Asa raha efa fantatrareo fa ity misy blog anankiray natao ho fizarana secret. Amin'alalan'ny carte postale ireny, matetika misy sary no hanehoana azy. Hahitana hoe ahoana marina ny tena mety ho eritreretin'ny olona. Anonyme tanteraka aloha ny zavatra ao ka tsy misy hatahorana raha tsy tiana ho fantatra.  Vakivakio ao ary ! Anisan'ny blog voafidy voalohany noho ny zavatra ao anatiny izy io teo aloha teo. Sady efa nahavita boky mihitsy ry zalahy.

 

 


Secret des Italiens (Foot)

Tsikaiky — Nampidirin'i fraz @ 09:48
Fika fikotranan-dry zalahy Italianina rehefa manao foot
 (tohiny)

Samy mandeha samy mitady

Tsikaiky — Nampidirin'i fraz @ 08:14

Toraka taolan-katsaka

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 09:21

Adalana tamin'ny mbola kely io, roalahy izahay no nilalao azy. Toy izao ny fandehanan'ny lalao : Teo Besarety io, manangona an'ireny taolan-katsaka ireny atao any anaty harona kely dia mankeo amoron'arabe miandry tomobilina mandalo, ny tomobilina amin'io avy any @ ankavia mankany @ havanana, tsy hita ny fahatongavany fa takonan'ny rindrina. Ny tanjona dia izay mahatafiditra taolan-katsaka be indrindra  ao anaty tomobilina mandalo. Miala any  ary misy
tomobilina heno mitady handalo, efa vonona ny tanana hitoraka, vao mipoitra tonga dia lasa izao, toraka hitsin-dalana be, dia jerena fotsiny hoe tafiditra na tsia dia avy tonga dia mitsoaka be any anelakelan-trano dia misy manivaka kely tonga dia any antrano mody tsy taitra.

"Avia kely ianareo roalahy aty e!"
, lasa niantso polisy ilay olona notorahanareo tamin'ny taolan-katsaka izany fa mipetraha tsara eto amin'ny seza eto miandry an'ireo polisy haka anareo, hoy ilay tantine-nay. Fa zany tena teram-tsemboka, nangovitra, nipararetra tsy hay  intsony izay hilazana azy. Niandry teo zahay efa ho adin'ny telo, tsy nisy polisy tonga fa hay fibedesanay anay ilay izy fa nanaomboka tamin'izay tena fay tsy sahy intsony !!

 


Saro-kenatra ve isika ?

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 09:32
Mety efa ho toetran'ny Malagasy mihitsy angamba ity hoe saro-kenatra, sadaikadaikatra, miafinafina, ka asa aloha na manampy ilay izy na ahoana.
Anisan'ny maha-samihafa antsika amin-dry zareo vazaha io, ry zareo ohatra rehefa mahavita zavatra anankiray tonga dia heno eran'ny tapi-tanana, tsy mihafahafa mihitsy izy miteny hoe izy no nahavita an'iny. Ary isika mba ahoana ?
Isika be tsy miteny, mangina fotsiny, modesta hoy ry zalahy zay, nefa modesta mampivoatra ve sa mandetika ?

Isika somary tia manafinafina izay, rehefa misy zavatra tsara dia tsy lazaina amin'ny olona, nefa rehefa misy zavatra ratsy sanatria anefa dia tsy maintsy zaraina amin'ny olona, ary maninona raha mba zaraina koa ny zavatra tsara e ? Mahafinaritra anie ny maheno zavatra tsara e, sa ahoana hoy nareo ? Eny fa na izaho manoratra ito aza manao an'izany. Ary te hiala amin'izay aho anefa fa hitako tsy mampivelatra. (Efa miala tsikelikely). Mbola mitady  sy miandry fandresena lahatra vitsivitsy :-)

Asa raha mandinika ianareo fa matetika rehefa misy zavatra iray mitranga dia ny fanontaniana mipetraka ao an-tsaina hoe iza ?  Izao no nanao an'io, iza avy ? Dia lasa mitady ny mikasika an'iny olona iny mihitsy aza indraindray.

Raha mijery an'ireny forum vazaha ireny nareo , jereo anie fa matetika misy signature foana isaky ny message miampy ny tena anaran'ilay olona, indraindray aza miaraka amin'ny sary mihitsy. Ny antsika eto izao pseudo daholo, afa-tsy olona iray ihany !!(iza ary ? )

Mahafinaritra aloha ny misy an'itony blog itony mba hahafahana miala amin'ilay izy tsikelikely :-)




Matoatoa

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 07:40
Nisy fandaharana tamin'ny tele (TF1) omaly miresaka ireo tantara mifono mistery vitsivitsy mampitolagaga. Voalaza tao ny fanasitranana any Lourdes, ny triangle de bermudes (izay manomboka voavaha tsikelikely hoe mety champ magnetique matanjaka be) fa ny malaza tao koa dia ny tany Angleterre , anisan'ny be matoatoa miseho . Ohatra ilay tamin'ny 21 Decembre 2003, tratran'ny camera de surveillance hono ny matoatoan' ingahy Henri VIII, varavarana misokatra ho azy dia misy olona miankanjo mainty lava be mivoaka eo, sy ny maro hafa koa fa tsy ho voatanisa eto fa dia azo lazaina hoe mahazendana ihany ilay izy, indrindra rehefa tsy hita izay hanazavana azy. Fa tsy efa mba tafiditra amin'itony tantara itony koa ve : ny resaka matoatoa manakana taxi ateriny eny amin'ny fasan'Anjanahary, ny mpandeha taxibe amin'ny dimy maraina teny Ambohitrarahaba miaraka manjavona daholo, ny jean mivadika anamamy ary ny peratra mivadika karoty :-) .

Tapika tsy azo raisina

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 14:19
Mahatsiarotsiaro ireo kilalao fahiny tamin'ny mbola kely , misy an'ity hoe Tapika tsy azo raisina ity, efa tratra aho taloha fa fay mihitsy, nirahina nividy mofosira tery amin'ny tsenan'andravoahangy tery , tamin'izany mantsy nipetraka teny Anjanahary teny, mofosira folo tamin'izay , nofonosana taratasy tsara, dia nandeha nody nitondra azy, ry zalahy kay avy ao aoriana tao tsy tazako mihitsy fa tonga dia nokapohan-dry zalahy tampoka ny tanako, raraka daholo ny mofosira feno vovoka, tsy nisy azo natao intsony. Hany hery nody maina sady natahotra be ny ho bedy, sady tena bedy be mihitsy tamin'izany hoe tsy mahazo manao tapikapika izany intsony !!

Êtes-vous sourd ? (Blagy)

Tsikaiky — Nampidirin'i fraz @ 13:40
Deux gars, dans leur soixantaine, parlent du vieillissement et l'un dit à l'autre :

- Le pire, c'est pour nos femmes : elles refusent d'admettre qu'elles vieillissent et essaient toujours de cacher leurs petits bobos.

- Tu as bien raison mais j'ai trouvé un sacré bon truc pour les prendre à leur petit jeu : ainsi, si tu veux savoir si ta femme commence à être sourde, place-toi à 10 mètres d'elle et pose-lui une question. Puis, quand tu verras qu'elle ne répond pas, avance-toi à 5 mètres. Puis à 2 mètres. Puis à 1 mètre. Et là, elle va devoir se rendre à l'évidence qu'elle est sourde !

Le sénior trouve l'idée très bonne et en entrant chez lui, il se place à dix mètres de sa femme et lui demande d'une voix forte :
- Chérie, qu'est-ce qu'on mange pour souper ?

Pas de réponse !

Il s'approche alors à cinq mètres et lui demande encore :
- Chérie, qu'est-ce qu'on mange pour souper ?

Pas de réponse !

Il s'approche encore, à deux mètres, et lui redemande :

- Chérie, qu'est-ce qu'on mange pour souper ?

Pas de réponse !

Le gars n'en revient pas ! Il s'approche alors à un mètre et hurle :
- Chérie, qu'est-ce qu'on mange pour souper ?

Sa femme se retourne et lui dit, l'air agacée :

- Pour la quatrième fois : du poulet et des frites !

Ny aza tratran'izao

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 13:08

Tsy te ho eo amin'ny toeran-dranamana aho !!

 


Indray takariva nandrahona

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 18:04

Ny tazana tao amin'ilay tanana fahiny (Rouen) rehefa indray takariva iny !

DSC01319.JPG

Lesona Eseky wikianja

Echecs — Nampidirin'i fraz @ 09:12

Ary sendra nijerijery fotsiny fa hay efa misy lesona Eseky ao amin'ny wikianjantsika nataon'ny namana Hery. mpilalao eseky ao amin'ny lalao.serasera.org. Ho an'ireo izay te hianatra dia afaka mijery ao moa ireo efa mahay dia afaka manampy ao koa.

Manampy an'io dia ireto amin'ny sary ambany ireto ny boky fampiasako efa voafantina tamin'ireo maromaro fa ny boky anisan'ny tsara koa dia ny "Mon Système" Tome I sy II raha hoe te hanomboka handalina (jeu positionnel). Boky stratégie ny ankabezan'ireo fa torohevitra raha tactique aleo amin'ny ordinateur no mianatra, sady mora atao no haingana kokoa. Toy izay koa ny fianarana ouverture na finale.

 

DSC01983

Fanampin-tsary :

 

Echiquier  Boky

Ligue des champions : finale androany (2-1)

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 13:39

Hafanafana ny finale ny Ligue des Champions androany hihaonan' Barcelone sy Arsenal. Ireo no ekipa tafakatra amin'ity lalao famaranana ity. Ao Parisy ao @ stade de france no atao ny lalao. Ny mpilalao malaza hita ao @ Barcelone dia : Ronaldinho, Eto'o, Giuly, raha ny ao @ Arsenal indray dia misy an-dry : Thierry Henry, Pires, Campell sy As Cole ao @ défense izay marihana fa sambany nampilalaovina miaraka eo ambony terrain. Hafotaka ny lalao.

Anisan'ny malaza matanjaka ny défense an-dry zalahy Arsenal satria tsy nahafatesana baolina intsony nandritra ny 919 minutes izay.  Ny ahy moa dia maka an'i Barcelone ka dia ho hita eo.

Mikasika an'i Ronaldinho manokana ireto misy isa vitsivitsy :

- Teraka tamin'ny 21 mars 1980 (26 ans)
- 1.82m dia 76Kg
- Karama : 9 millions d'euros net (hors primes + intéressement) - le mieux payé du monde
- Tarif publicitaire : 10 000 euros / seconde

Dia rahampitso mifankahita e !

Fanampiny : Ity misy fichier Excel hahafahana manaraka ny lalao amin'ny Mondial 2006 izay atao Allemagne. Dia omeo ny namana rehetra izay mpankafy foot any . Alaivo ato 

 

18/05/2006 : Nandresy tamin'ny isa 2-1 ny Barcelone 

 


Evolution de l'enseignement (blagy)

Tsikaiky — Nampidirin'i fraz @ 11:49

Enseignement 1960
Un paysan vend un sac de pommes de terre pour 100F.  Ses frais de production s'élèvent aux 4/5 du prix de vente. 

Quel est  son bénéfice ?


 (tohiny)

Infogasy.net : Stats volana May 2006

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 06:55

Statistika kely mamintina ny isan'ny mpitsidika ny sehatra infogasy.net nandritra ity volana May 2006 ity (visiteurs uniques). Marihina fa ny mpikambana eto amin'ny serasera rehetra tonga dia afaka miditra ao avy hatrany

 


Lalao mahery setra : Happy Slapping

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 08:20
Manomboka malaza, indrindra any Angletera ity hoe 'Happy Slapping' ity. Toy izao ny fandehany, misy zatovo na tanora vitsivitsy miaraka mandeha, ary manana portable hahafahana maka video dia ny tanjona dia mamelaka teha-maina olon-tsy fantatra  eny rehetra eny (bus, metro, ...) dia aparitaky ry zalahy amin'ny internet avy eo ny video. Ary teha-maina mandrivorivo mihitsy fa misy tsy tonga saina elaela mihitsy izay tratrany. Tena tssss !!!! Jereo fa feno ao @ Google ao raha hijery.

Nampiasa w.bloggar aho

Sao mahasoa ! — Nampidirin'i fraz @ 06:12

Nanandrana nampiasa w.bloggar hahafahana mandefa hafatra eto amin'ny blaogy.com. Ny tombony dia rehefa vita ny configuration rehetra atao am-boalohany dia tsy mila misahirana intsony ianao mandefa hafatra avy eo fa tonga dia manoratra dia manindry hoe Post & Publish dia vita ny ady. Ity soratako ity izao dia mampiasa azy. Ny configuration dia tsotra , mankeo amin'ny menu File dia misy hoe Add Account ao dia ataovy Next dia eo amin'ilay hoe Blog Tool misy lisitra maromaro dia ilay (Custom) ary @ farany ambany fidiana dia asio izay tiana eo amin'ny Account Alias ohatra hoe blaogy dia Next indray dia misy hoe Posts sy Categories eo dia ilay Posts fidio ilay metaWebBlog API moa ilay Categories ataovy hoe metaWebBlogAPI-Single dia Next indray dia eo @ Host asio hoe blaogy.com moa ilay Path ataovy hoe /xmlrpc.php, ilay template afaka avela amin'izao dia ampidiro ny solon'anarana sy ny alahidy serasera dia izay. Mazotoa miblaogy ary !! Ny tombony dia tonga dia manoratra dia manindry bokotra dia izay.


Ala-tahaka

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 07:10
Dia mahavariana mihitsy ity resaka ala-tahaka ity fa dia tena taletantsika mihitsy. Resaka fidiram-bola no resahako eto fa raha vao hita hoe mandeha na mitady handeha kely dia raikitra ny handeha hanao mitovy amin'iny koa. Anisan'ny nalaza taloha ny resaka baby-foot tamin'ny andron'ny zaza miavotra :-) , tao koa ny resaka billard antsisin-dalana (nalaza ambatolampy tamin'ny fanamboarana azy) , dia nisy ihany koa ny resaka kilarinety sy yaourt amin'ny sachet, dia teo koa ny fivarotana finday teo analakely teo, dia tao koa ny fivarotana fahana finday ilay misy elo kely eran'ny tanana ireny, tao ny resaka safira tany ilakaka (betsaka ny tsy tafody avy any ...) dia amin'izao moa efa feno izy ny 'Analakely-Sicam-Ambohidahy-Anosy' :-) taxi-be io .... Mahavariana !!

Vitam-boka

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 07:16

Fandinihina nataon-dry zalahy tany ambadika tany :

 >>

Hello

Jeudi 4 mai prochain à 1 heure, 2 minutes et 3 secondes nous aurons le temps marqué de la manière suivante :

01:02:03 04/05/06

Cela ne se reproduira plus jamais dans notre vie !

A vous de juger si vous devez vous lever ou non !


Anniversaire - Mba tsy ho adino

Sao mahasoa ! — Nampidirin'i fraz @ 10:10

Anisan'ny mahafinaritra ny olona ny miarahaba azy tratry ny fety rehefa tonga ny vanin'andro nahaterahany. Misy fomba tsotra atoroko eto mba tsy hanadinoinao an'izany daty izany. Mety efa fantantsika fa atoroko eto ihany sao mahasoa ireo mbola tsy mahalala.

Voalohany aloha mila manana mail vao mety. Ny teknika an'ilay izy dia mampiasa an'ireny Agenda ireny na Calendar izay efa tolotra misy miaraka amin'ny fijerena mail en ligne ireny (Webmail) . Ny an' Yahoo no raisiko ohatra, manana ny antsoina hoe Agenda ry zareo , io Agenda io dia afaka ampiasainao hitahirizanao ny zavatra tokony ataonao rehetra, ary fanampin'izany dia afaka mandefa mail any aminao izy ho fampatsiahivana.

Tahak'ity ambany ity ny paoziny. 

 

Ny fanaovana azy dia toy izao. Tsindrio ilay bokotra hoe Agenda ery ambony ery (ao @ Yahoo io). Dia mahita ohatrn'ny amin'ity sary ity

 

 

Dia avy eo tsindrio ilay bokotra hoe Ajouter un évènement . Dia mahazo toy izao indray :

 

Dia fenoy ny banga fa aza adino ny manova an'ilay hoe "Répéter" dia ataovy hoe  "Tous les ans" , mba ho mandrakizay izy amin'izay . Dia midina ary ambanimbany ary dia misy an'izao :

 

 

 Io no hahafahanao mahazo mail rehefa manakaiky ny daty malaza. Safidio ny adiresy mail tianao handefasany ny fampatsiahivana.

 

Dia izay no atolotra , namako anankiray izay no nahitako hevitra an'io ka dia isaoraka azy.  Dia omeko anareo koa

 

Mazotoa daholo dia amin'ny manaraka indray. 

 

Fanamarihana : Raha @ Google (gmail) dia afaka mampiasa ny Google Calendar hahafahana manao zavatra mitovy amin'io. 


Silaka be !

Tsikaiky — Nampidirin'i fraz @ 13:47
Jereo ny tohiny .....
 (tohiny)

FC Barcelone vs Milan AC - Ligue des champions

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 11:16

Match retour indray rahariva ka aza adino ny mijery ho an'ireo izay tia foot !!
Izaho aloha maka an'i Barcelone e . Ny jeu an-dry zalahy tena ohatran'ny mijery spectacle mihitsy.  Favy ilay Ronaldinho

Fanampiny (15/05/06) :  Nirava ady sahala 0-0 ny baolina fa efa nandresy moa ny Barcelone tamin'ny lalao mandroso dia tafakatra izany izy. Ny famaranana amin'ity saison ity dia amin'ny Alarobia 17/05/2006 , hihaonan'ny Barcelone sy ny Arsenal.

 


Echecs : serveur AJAX voalohany

Echecs — Nampidirin'i fraz @ 07:37

Ry zalahy ao amin'ny 64pola dia milaza fa ry zareo no nahavita ny serveur na lalao Echecs AJAX voalohany , izany hoe interactive mihitsy ny lalao. Ny zavatra ilaina dia tsy misy afa tsy navigateur sy Javascript fotsiny ihany dia mety. Mampamangy izany ny interface mavesatra mampiasa applet.

 

 

 


Flickr : Ahoana ny fametrahana sary moa ?

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 09:36

Saika hametraka sary avy any @ flickr aho fa tafitohana eo amin'ilay safidy satria raha mbola tsy nanao setup blog dia manontany izy dia misy safidy maromaro tahak'izao ao :

 

Dia iza amin'ireo no fidiana ?

 

Update Dia misaotra an'i Hery fa ny fidiana amin'io izany dia MetaWeblogAPI Enabled Blog

Dia mitohy ihany izanyny manaraka dia mampiditra ny API Endpoint dia mahazo toy izao indray :

 

 

Dia lazainy fa diso foana ny username sy password ! Dia satria moa aho nanova mot de passe nisy fotoana vitsivitsy dia io tsy ekeny foana io. Dia nandramako nampidirina ny mot de passe taloha, dia iny fa nety !!

 


Endrey ry Dada sy Mama

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 13:32

"I Neny nibaby, nitaiza nanasa. I Dada isan'andro torovana miasa" 

Eh dia mahavariana ny fitiavan-dray aman-dreny ry namana isany. Tsy mitandro hasasarana sy tsy mba mitsitsitsy mba hahasoa ny zanany. Tsy mitaraina aminao izy raha misy zavatra manjo azy , raha marary izy miteny aminao fa salama foana. Mangataka izay zavatra tinao ianao, miezaka izy ireo ny hanome anao an'iny.

Ny zavatra tsy ho adinoko ary ho tsaroiko mandra-pahafatiko dia indray mandeha izay aho narary , tsy nanam-bola ny ray aman-dreniko tamin'izay, tsy nitaraina aho kanefa hitany natory teo am-pandriana dia nanontany izy hoe fa maninona ianao ? Dia somary reraka ho'a fa matory sy maka aina kely fotsiny.

Dia nandeha izy, i dada io , lasa izy nivoaka tany ivelany tany. Niverina avy izy nitondra calcium sy vitamine ho ahy. Izay vola notahiriziny ho atao tahiry sy vatsy , nolaniany tamiko daholo. Nalahelo aho tamin'izay nefa sady faly ihany koa, satria tsapako fa tia ahy ny ray aman-dreniko.

Ankehitriny raha mbola azoko atao koa arak'izay tratry ny heriko manontolo dia ny hamaly fitia azy ireo zareo. Hiezaka aho mba hampifaly sy hampiadana azy ireo,hampilamin-tsaina hanome azy izay zavatra tsy azony taloha noho izaho.

Ho anareo izay mamaky an'ity, dieny mbola tsy tara loatra raha azo atao, araraoty ny fotoana rehetra na dia kely monja aza , eny fa na dia taratasy kely misy teny mamy fotsiny aza, handraisana anjara amin'ilay teny hoe "valim-babena".

Ka izao no lazaiko : 

"Ianareo no naha toy izaho ary  matokia ahy fa tsy ho adinoko mandrakizay ianareo."

Misaotra ry Dada sy Mama ! 


overwrite css

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 09:59

Nanandrana ilay overwrite css fa dia tena voahitsaka daholo mihitsy ny tao satria dia lasa menamena be ilay pejy. Mety ilay template nosafidiako angamba no tsy nahazaka.
Ary inona no dikan'ilay hoe Nouveau Template io  ? Afaka manao upload ve sa ahoana fa nanandrana aho fa toa mikohaka fotsiny nedala.
Misaotra ny mpikarakara mamaly. 


Hianatra Echecs ? Atao inona

Echecs — Nampidirin'i fraz @ 08:07

Fampidirana fotsiny aloha no ataoko ato amin'ny voalohany.Araka ny fantantsika rehetra dia lalaon-tsaina ny Echecs, izany hoe mila mampiasa saina fa tsy afaka atao automatique fotsiny.

Dia mety manontany tena ianao hoe hianatra Echecs mba haninona anefa ? Dia izao no mba toro-hevitro hoe ataovy fialam-boly fotsiny ihany. Fa alohan'izany aloha dia andraso teneniko eto ny zava-tsoa sy ny zava-dratsy (misy mantsy) mety ho azo


 (tohiny)

Hilalao Eseky !

Echecs — Nampidirin'i fraz @ 07:57

Dia nanapa-kevitra aho dia hiresaka Echecs ihany koa ato amin'ity Blog ity. Betsaka moa no azo ambara mikasika azy ity fa dia ho hita mian-dalana eo. Fa aza adino fa eto amin'ny serasera.org dia efa misy site anankiray azo hilalaovana "Echecs par Correspondance", izany hoe tsy voafetra ny fotoana fa rehefa manam-potoana ianao dia manisaka , ary ny mahatsara dia mahazo mail ianao rehefa nikisaka ny adversaire.

 

Tsidio ary ny http://lalao.serasera.org 


Mailing-list (infogasy.net)

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 12:30
Dia voapetraka indray aloha ny mailing-list ao amin'ny sehatra IFG.

Ny namana hery (serasera.org) no namolavola ny module drupal hahafahana manao an'zany. Izany hoe module drupal mampinfandray groupe google sy drupal.
Isaorana azy be dia be izany.

Dia mbola hitohy eo ihany moa ny fanatsarana fa mbola betsaka ny zavatra tiana atao.

Powered by LifeType