Diam-penina

25 Mey, 2006

Tapika tsy azo raisina

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 14:19
Mahatsiarotsiaro ireo kilalao fahiny tamin'ny mbola kely , misy an'ity hoe Tapika tsy azo raisina ity, efa tratra aho taloha fa fay mihitsy, nirahina nividy mofosira tery amin'ny tsenan'andravoahangy tery , tamin'izany mantsy nipetraka teny Anjanahary teny, mofosira folo tamin'izay , nofonosana taratasy tsara, dia nandeha nody nitondra azy, ry zalahy kay avy ao aoriana tao tsy tazako mihitsy fa tonga dia nokapohan-dry zalahy tampoka ny tanako, raraka daholo ny mofosira feno vovoka, tsy nisy azo natao intsony. Hany hery nody maina sady natahotra be ny ho bedy, sady tena bedy be mihitsy tamin'izany hoe tsy mahazo manao tapikapika izany intsony !!

Hevitra

  1. nahita kilalao marina tamin'ny mbola kely. Asa fotsiny raha mbola nitohy hatramin'izao angamba tsy holasa hatramin'ny solosaina :-)

    Nampidirin'i voromailala — 25 Mey 2006, 15:22

  2. nanahirana tokoa ny natao tamin'ireny fotoana ireny. Fa ny tena tadidiko dia ny travaux forc├ęs raha vao tsy miforitra mankeo ambonin'ny fanondro iny ny fanondroadala!

    Nampidirin'i jentilisa — 25 Mey 2006, 15:25

  3. Voa izay hoy neninay izay rehefa sendra zavatra ohatr'izao tamin'ny kely,ny anao aza mbola tapika fotsiny fa tsy narahin'ny daka tsy hita maso sy ny hazokely.

    Nampidirin'i kally — 25 Mey 2006, 15:48

  4. coup de vacances .... gayyy zao vao hita ny loza saika nanjo.

    Nampidirin'i Hery — 25 Mey 2006, 16:31

  5. Hihihi, ny tsy an-kihetsika koa no tena tssss. Efa ho tara tamin'izany mbola tsy sahy mihetsika ihany.
    Dia ny tsy ankivilivily directions, mila handona olona foana mihitsy eny an-dalana.

    Nampidirin'i pissoa — 25 Mey 2006, 18:36

  6. :P ary ny mitsoka afo @ essence
    ny raosy jamba mandratra
    langa litika be an!

    Nampidirin'i colette — 25 Mey 2006, 21:07

  7. sycy laka litika be! :D

    Nampidirin'i bolida — 25 Mey 2006, 21:10

  8. Ireo koa no tena loza fa mbola hotantaraina eto :)

    Nampidirin'i fraz — 12 Aog 2006, 15:35

Powered by LifeType