Diam-penina

26 Mey, 2006

Matoatoa

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 07:40
Nisy fandaharana tamin'ny tele (TF1) omaly miresaka ireo tantara mifono mistery vitsivitsy mampitolagaga. Voalaza tao ny fanasitranana any Lourdes, ny triangle de bermudes (izay manomboka voavaha tsikelikely hoe mety champ magnetique matanjaka be) fa ny malaza tao koa dia ny tany Angleterre , anisan'ny be matoatoa miseho . Ohatra ilay tamin'ny 21 Decembre 2003, tratran'ny camera de surveillance hono ny matoatoan' ingahy Henri VIII, varavarana misokatra ho azy dia misy olona miankanjo mainty lava be mivoaka eo, sy ny maro hafa koa fa tsy ho voatanisa eto fa dia azo lazaina hoe mahazendana ihany ilay izy, indrindra rehefa tsy hita izay hanazavana azy. Fa tsy efa mba tafiditra amin'itony tantara itony koa ve : ny resaka matoatoa manakana taxi ateriny eny amin'ny fasan'Anjanahary, ny mpandeha taxibe amin'ny dimy maraina teny Ambohitrarahaba miaraka manjavona daholo, ny jean mivadika anamamy ary ny peratra mivadika karoty :-) .

Hevitra

  1. Hay ve nareo koa mba variana e,hahitana zavatra mihintsy e!

    Nampidirin'i colette — 26 Mey 2006, 20:12

  2. nahaliana ahy tokoa iny fandaharana iray iny, ilay tantaran'ilay bandy roalahy kamabana vao teraka dia nisaratoerana nefa mitovitovy daholo avy eo ny fihetsika rehetra sns. 8) matoatoa hmmmm

    Nampidirin'i voromailala — 26 Mey 2006, 22:44

  3. hay ve naroe mba naheno ihany koa ireny tantara matoatoa an'ambohijanahary sy ambohitrarahaba ireny e!
    ny mpanakana taxi sy ny sisa.Ary efa ela ihany zany ireny no nidy an

    Nampidirin'i hira72 — 27 Mey 2006, 15:53

Powered by LifeType