Diam-penina

31 Mey, 2006

Saro-kenatra ve isika ?

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 09:32
Mety efa ho toetran'ny Malagasy mihitsy angamba ity hoe saro-kenatra, sadaikadaikatra, miafinafina, ka asa aloha na manampy ilay izy na ahoana.
Anisan'ny maha-samihafa antsika amin-dry zareo vazaha io, ry zareo ohatra rehefa mahavita zavatra anankiray tonga dia heno eran'ny tapi-tanana, tsy mihafahafa mihitsy izy miteny hoe izy no nahavita an'iny. Ary isika mba ahoana ?
Isika be tsy miteny, mangina fotsiny, modesta hoy ry zalahy zay, nefa modesta mampivoatra ve sa mandetika ?

Isika somary tia manafinafina izay, rehefa misy zavatra tsara dia tsy lazaina amin'ny olona, nefa rehefa misy zavatra ratsy sanatria anefa dia tsy maintsy zaraina amin'ny olona, ary maninona raha mba zaraina koa ny zavatra tsara e ? Mahafinaritra anie ny maheno zavatra tsara e, sa ahoana hoy nareo ? Eny fa na izaho manoratra ito aza manao an'izany. Ary te hiala amin'izay aho anefa fa hitako tsy mampivelatra. (Efa miala tsikelikely). Mbola mitady  sy miandry fandresena lahatra vitsivitsy :-)

Asa raha mandinika ianareo fa matetika rehefa misy zavatra iray mitranga dia ny fanontaniana mipetraka ao an-tsaina hoe iza ?  Izao no nanao an'io, iza avy ? Dia lasa mitady ny mikasika an'iny olona iny mihitsy aza indraindray.

Raha mijery an'ireny forum vazaha ireny nareo , jereo anie fa matetika misy signature foana isaky ny message miampy ny tena anaran'ilay olona, indraindray aza miaraka amin'ny sary mihitsy. Ny antsika eto izao pseudo daholo, afa-tsy olona iray ihany !!(iza ary ? )

Mahafinaritra aloha ny misy an'itony blog itony mba hahafahana miala amin'ilay izy tsikelikely :-)




Hevitra

  1. Tohanako antsakany sy andavany ity famosahan-kevitra arosonao ity ry Fraz a.Any amin'ny fanabeazana any mihitsy ny olana e. Tsy ampy ny fampiakarana ny "self esteem" eo amin'ny zaza malagasy. Fanapepoana aza no azo indraindray. Hany ka rehefa lehibe ilay zaza, dia lasa mimpirimpirina, tsy mahasahy mamoaka hevitra, sns... ohatra akaiky fotsiny ny tsy fahazakan'ny ankamaroan'ny malagasy ny fankasitrahana na fanatsarana ny zava-bitany. Faly ihany izy any ampony any fa tsy sahy tena miseho hoe faly aho. Raha misy miteny hoe "tsara ity zava-bitanao ity ohatra" d hoy izy mamaly azy hoe " aiza moa no d hoe tsara eo fa mba, ... na hoe, io ve de tsara, sns..." Maninona raha mba tonga d misaotra an'ilay olona mankasitraka ny ezaka vitanao fotsiny ohatra.

    Nampidirin'i Tadio — 31 Mey 2006, 10:03

  2. tena marina mihintsy izany

    Nampidirin'i Narifidy — 31 Mey 2006, 11:18

  3. "Aza miseho milay eo e!!" ;)

    Nampidirin'i lapino — 01 Jio 2006, 02:53

  4. ny tena ratsy dia ny fausse mod├ęstie

    Nampidirin'i niry — 04 Jio 2006, 13:53

  5. ohatran'ny tsara koa ilay tsy miteny fa ny olona no mahita e!

    Nampidirin'i niry — 04 Jio 2006, 13:56

  6. Tena efa saika nanoratra io toetoetry ny gasy io miits za ry fraz tao @ blaogiko a. de io toetra diso "modeste" loatra io no isan'ny saika hokianiko amintsika gasy.

    Ho ahy manokana dia ambony kokoa noho ny olona rehetra io toetra "modeste" io taloha, satria notezaina t@'ireny skoto ireny izaho. Isan'ny zava-dehibe @ skoto mantsy io "modestie" io. Ka ny mbola tsy haiko de ny we : za ve no tsy nahay nandray sa ilay fomba fitaizana no lany andro ?. T@'zany fotoana izany moa dia toy io filozofia notenenin'i Niry io no anisan'ny nitondrako ny fiainako ( le we : "reefa manao zavatra tsara za de tsy hiteniteny fa avelako ho ny olona no hahita" ).
    Taty aoriana, rehefa tonga aty Frantsa aho dia voatery nanary tanteraka io toetra io : ny zavatra hay tsy maintsy aseho aty, raha tsy izany dia heverin-dry zareo ho tena dondrona isika. Maro mantsy ny mihevitra aty fa ny olona avy @ tany mahantra (toa an'i Mkara ) dia tsy mba manana fahalalana lalina, ary tsy manana an'izany atao hoe "civilisation" izany.

    Nampidirin'i Tokinao — 29 Jio 2006, 08:07

  7. Inona ilay skoto ?

    Nampidirin'i fraz — 29 Jio 2006, 08:10

Powered by LifeType