Diam-penina

07 Jio, 2006

Toraka taolan-katsaka

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 09:21

Adalana tamin'ny mbola kely io, roalahy izahay no nilalao azy. Toy izao ny fandehanan'ny lalao : Teo Besarety io, manangona an'ireny taolan-katsaka ireny atao any anaty harona kely dia mankeo amoron'arabe miandry tomobilina mandalo, ny tomobilina amin'io avy any @ ankavia mankany @ havanana, tsy hita ny fahatongavany fa takonan'ny rindrina. Ny tanjona dia izay mahatafiditra taolan-katsaka be indrindra  ao anaty tomobilina mandalo. Miala any  ary misy
tomobilina heno mitady handalo, efa vonona ny tanana hitoraka, vao mipoitra tonga dia lasa izao, toraka hitsin-dalana be, dia jerena fotsiny hoe tafiditra na tsia dia avy tonga dia mitsoaka be any anelakelan-trano dia misy manivaka kely tonga dia any antrano mody tsy taitra.

"Avia kely ianareo roalahy aty e!"
, lasa niantso polisy ilay olona notorahanareo tamin'ny taolan-katsaka izany fa mipetraha tsara eto amin'ny seza eto miandry an'ireo polisy haka anareo, hoy ilay tantine-nay. Fa zany tena teram-tsemboka, nangovitra, nipararetra tsy hay  intsony izay hilazana azy. Niandry teo zahay efa ho adin'ny telo, tsy nisy polisy tonga fa hay fibedesanay anay ilay izy fa nanaomboka tamin'izay tena fay tsy sahy intsony !!

 


Hevitra

  1. tantara koa izany!
    dia inona no kilalao taorinan'izay?

    Nampidirin'i voromailala — 07 Jio 2006, 18:56

  2. Milay kosa izany kle! Soa ihany fa tsy misy taolan-katsaka aty izao, fa raha tsy izany mety ho nandramana ihany :P

    Fa hitako tamin'ny reportage ndremande zay, tamina autoroute frantsay le izy, de am'le misy tetezana ambonin'ny autoroute ireny, dia vato tarangana no atsipin-dry lerony. Fa misy vizana mihitsy izay tratrany an, ankoatra ny vakim-pitaratra sy ny askidà!!

    Nampidirin'i lapino — 07 Jio 2006, 22:15

Powered by LifeType