Diam-penina

26 Jio, 2006

Torimaso adin'ny firy ihany no ampy ary

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 12:22
Raha vao latsaky ny adin'ny valo ora aho no matory dia tsy mety ampy mihitsy ny torimasoko ary rehefa hariva vao tena mitaky.
Hany ka vao tonga ao an-trano dia mamerina maka kely , io moa no filazanay azy :-)

Mahagaga ahy ihany ry zalahy sinoa ireny mahavita matory adin'ny efatra na adin'ny roa fotsiny .
Raha misy mba manana torohevitra amin'ny resaka torimaso dia mba omeo hoe handinihina azy.

Hevitra

  1. Mety efa kolombatana misy ifandraisany amin'ny kolontsain-dry zalah angamba ny an'ny sinoa, fa raha ny nolazain'ny mpampianatra taloha dia hoe ora 7 na 8 no antonony ho an'ny olon-dehibe. Tsy haiko anefa, ...

    Nampidirin'i lapino — 26 Jio 2006, 12:54

  2. Ie, resaka fahazarana ihany koa ilay izy indrindra indrindra. Izaho aloha tsy mety matory adin'ny valo izany mihitsy :-( fa na dia eo am-pandriana aza dia mivandravandra fotsiny rehefa matory aloha na hoe te hifoha tara.

    Ny tena tsara dia manao sieste fohy (30-45mn) dia tsy matory lava loatra amin'ny alina. Adin'ny enina dia ampy ohatra.

    Nampidirin'i Hery — 26 Jio 2006, 12:58

  3. Rehefa miaantitra dia mihafohy ny torimaso :-).
    mety efa antitra daholo zany ny sinoa zao :-)

    Nampidirin'i voromailala — 26 Jio 2006, 14:27

  4. Ilay maka siesta kely mihitsy raha misy fomba azo atao. tena mitsotra mihitsy ny vatana fa na dia fahefak'adiny aza raha vao taitra tampoka dia toy ny vory hery mihitsy taitra amin'ny siesta iny.

    Nampidirin'i jentilisa — 27 Jio 2006, 06:42

  5. Tena ilaina tokoa aloha ilay siesta e.

    Nampidirin'i fraz — 27 Jio 2006, 07:18

Powered by LifeType