Diam-penina

16 Jol, 2006

Ahoana tokoa ny fanalana ranomainty e ?

Sao mahasoa ! — Nampidirin'i fraz @ 13:15
Ahoana ny mba fanalana ranomainty t'stylo amin'ny akanjo e ? Tena mba
nikosoka ihany aho fa eee. Taloha aho mantsy mba nanandrana an'ireny eau de
javel ireny fa tena na tsy ranomainty aza afaka daholo ka tsy te hampiasa
an'io intsony aho
Misaotra ho an'izay manankevitra.

Hevitra

  1. Aiza ianao no mipetraka? Raha aty Amerika avaratra, dia mividiana ilay produit antsoina hoe Oxy Clean dia araho ny fampiasana azy. Tsy manala loko afa-tsy ny tasy ihany io.

    Nampidirin'i Su — 16 Jol 2006, 16:47

  2. Tena tsy any Amerika avaratra aho fa Europe andrefana. Dia ahoana izany ?

    Nampidirin'i fraz — 16 Jol 2006, 16:52

  3. Raha mahita fanadiovana misy oxy oxy ny anarany, dia tokony hitovy am'zany ihany. Nisy dokambarotra ireny tam'tele fa tsy tadidiko intsony ilay anarana. Be loatra koa ilay dokambarotra savony manko! :)

    Ry zareo andriambavilanitra koa no mety mahay azy, fa izany fixatif-na volo izany hono, lomana azy elaela ny tasy alohan'ny hanasana an'ilay lamba.

    Ary maninn moo raha tsy mampiasa stylo intsony, fa clavier sy souris e? :-P

    Nampidirin'i lapino — 16 Jol 2006, 17:42

  4. Lomana anaty ronono koa hono mety nefa asa raha hihety raha ohatra ka efa nosasanao ilay akanjo, ny tokony ho izy mantsy raha vao voa iny izy dia lomana ronono hono.

    Nampidirin'i kally — 17 Jol 2006, 02:03

  5. Ie efa nosasana anefa ilay akanjo fa tsy afaka. Izany hoe efa ranomainty maina izany.

    Nampidirin'i fraz — 17 Jol 2006, 05:00

  6. Ity indray ary misy forum momba ny rehetra ary misy anankiray momba ny fanadiovana ka mety hisy ao manontany an'io fanontanianao io.

    http://ths.gardenweb.com/forums/

    Clikeo ery amin'ilay hoe "Home Forums" dia tadiavo eo amin'ilay listra mipongatra eo ilay hoe "Cleaning Tips".

    Mahazotoa.

    Nampidirin'i Su — 17 Jol 2006, 22:40

  7. Misaotra betsaka anareo rehetar fa dia misy hojerijerena ireo.

    Nampidirin'i fraz — 18 Jol 2006, 05:07

Powered by LifeType