Diam-penina

19 Jol, 2006

Handefa vola

Sao mahasoa ! — Nampidirin'i fraz @ 09:17

Ankoatran'ny Western Union izay hahafahana mandefa vola dia misy ihany koa ny madachange sady tsy dia misy protocole be atao no sady haingana. Jereo ao amin'ny siten-dry zalahy ao ny birao misy azy. Toa manao zavatra hafa ihany koa ry zareo, mivarotra entana sy ny sisa. Jerijereo ao sao mahasoa .

Raha misy mahafantatra hafa koa dia mba zarazarao e, fandefasana entana ...


Hevitra

  1. Alefa pôsitra @ colissimo dia alaina ao @ MIDEX etsy Andraharo raha entana. Ny saram-pandefasana tsy dia haiko loatra.
    Iray volana ka hatramin'ny 1 volana sy tapany eo ny fiandrasana
    entana anakiroa izay no nisy nandefa (1kg sy 2kg) fa tonga daholo.

    Mbola mandoa douane ! .. dia arakaraky ny douanier ;-)

    Nampidirin'i itoss — 19 Jol 2006, 11:12

  2. Ilay alefa paositra mety ihany raha vao entana kelikely fa raha ohatra hoe unité centrale zao no alefa dia ahoana ? Indraindray koa ilay zavatra mora vidy nefa mavesa-danja dia tsy mahaleo ny sarany.

    Nampidirin'i fraz — 19 Jol 2006, 11:32

  3. modia ialahy dia ento manaraka @ Fret Aérien :-D :-D

    Nampidirin'i itoss — 20 Jol 2006, 09:15

Powered by LifeType