Diam-penina

24 Jol, 2006

Economie d'énergie

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 06:03

Ireo firenena tsirairay dia samy manana ny fomba ataony mba hahafahana mitsitsy ny angovo ampiasaina, ny ankabeazan'ny ao amin'ny faritr' Europa izao dia nisafidy ny changement d'heure mba hoe amin'ny andro mazava ny mpiasa no tokony hiasa fa tsy mbola mila ampirehetina ny jiro, ao ny mampiasa ny énergie éolienne (avy amin'ny rivotra), ao ny énergie solaire (avy amin'ny hazavana sy hafanana), ary tsy adino ihany koa ny délestage

Dia eo amin'ny resaka solika indray, mba hiadiana amin'ity vidiny miakatra ity foana dia betsaka ny manomboka mitoti-doha amin'ny fanamboarana solika avy amin'ny zava-maniry, rehefa nodinihina anefa dia somary tsy dia mifanalavitra ny coût hanamboarana azy (mba tsy hilazana hoe somary lafo kokoa aza), ka mety hoe any @ voiture électrique indray no mihainohaino na miverina amin'ny taloha  e, atosika amin'ny tanana !! :) 


Hevitra

  1. Tsy maintsy hoe any amin'ny nucleaire no ho loharanon'angovo hiasa be indrindra. Ny daba mety ho efa azo alefa elektrika, ny sambo azo asiana motera nucleaire (ohatra ny sous-marin nucleaire an'ny tafika ireny), fa ny rôplana no tsy haiko raha mety koa.
    Izay loharanon'angovo hafa rehetra koa, azo amokarana angovo elektrika handefasana fiara sns

    Nampidirin'i lapino — 24 Jol 2006, 10:21

  2. ary raha mba mandeha tongotra na bisikileta indraindray e,mitady ho hadino ny vahaolana tsotra sady spaoro (he,he)

    Nampidirin'i niry — 25 Jol 2006, 16:25

Powered by LifeType