Diam-penina

25 Jol, 2006

PMU garanti 100% mahazo

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 07:46

Mitangorona ny olona teo andohan' Analakely teo, teo ampitan'ny Firaisana I dia mba nijery hoe inona ary izany dia io ranamana iray miaraka amin'ny cahier 100 pages eo ho eo efa feno soratsoratra sy chiffres be dia be. Feno sary géometrie be dia be, misy triangle isocèle, polygone, ireny miaraka amin'ny chiffre eny @ sommet, izay rehetra mety handresena lahatra hoe mitombina ny zavatra ataony, dia miaraka @ taratasy maromaro misy ny valin'ny PMU tany aloha hanamarinana hoe tena mitombina ny théorie an'lery. Betsaka aloha ny rarakivy e :) . Mandeha daholo amin'izany ny lanjan'ny Jockey, ny numero entin'ilay soavaly, izay misy chiffre azo ampiasaina rehetra.

Izany hoe raha ny tokony ho izy izany dia mahazo PMU foana lery matetika na isaky ny mihetsika. Receveur na taxi-be ny asa ataon'lery.


Dia ny manomboka mahagaga dia manampy ny olona hahazo lery ka ny olona no asainy mividy ticket dia izy no manome ny numero izay "sur 100% fa mahazo" sady ordre mihitsy hono an! Ny takalony dia 5000 Fmg isaky ny ticket vidiana (izany hoe mety hoe be dia be indray zany ny numero mahazo raha izany :))

Dia mba lasa ny saina hoe raha resaka chiffre sy calcul isan-karazany ve no hahazoana an'io tsy efa faillite ny PMU ?

Izaho aloha mba efa nahazo tiercé fa désordre e :-) (120 000 Fmg) ... fa tsy nampiasa triangle isocèle aho tamin'izay.....


Hevitra

  1. Marina io fitantarana ataon'i fraz io. Izaho koa dia tsy mety mahazo mihitsy ilay zavatra ataon-dry zalahy. Ny tena malaza aloha fa efa tsy any Soarano intsony izy ny fahafantarako azy dia i "Valan'omby". Mpanao pronostique tamin'ny gazety misahana izany manokana izy sady tsaratsra kokoa noho ny an-dRalima ny azy ny vokatra.

    Efa misy manao asa manokana mihitsy aloha io ao soarano ao e! fa ataoko hoe mitovy amin'ny rehetra ihany ny fahazoany koa...

    Nampidirin'i jentilisa — 25 Jol 2006, 08:53

  2. misenina koa izany tantara izany. tonga amin'ilay fitenenana hoe " aleo ny olona efa tafita ihany no tena henoina", tsy hoe mamely an'ilay resevera, fa mety misy olona mpanao asa soa ihany koa.

    Nampidirin'i voromailala — 25 Jol 2006, 09:57

  3. hummm, ka naninona hono izy no tsy nampihatra fa ny olona indray no hasainy milalao amzay hangalàny vola! mmhhh,,

    Nampidirin'i vale — 26 Jol 2006, 23:06

  4. Fanamarihana : tsy ho faty ny PMU na dia mitombina aza ny calculn'lery satria ny azy anie ny volan'ny mpilalao ihany no zarainy eh. Ankoatry ny tombony efa tazoniny.

    Nampidirin'i eprom — 01 Aog 2006, 07:18

Powered by LifeType