Diam-penina

Saro-kenatra ve isika ?

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 09:32
Mety efa ho toetran'ny Malagasy mihitsy angamba ity hoe saro-kenatra, sadaikadaikatra, miafinafina, ka asa aloha na manampy ilay izy na ahoana.
Anisan'ny maha-samihafa antsika amin-dry zareo vazaha io, ry zareo ohatra rehefa mahavita zavatra anankiray tonga dia heno eran'ny tapi-tanana, tsy mihafahafa mihitsy izy miteny hoe izy no nahavita an'iny. Ary isika mba ahoana ?
Isika be tsy miteny, mangina fotsiny, modesta hoy ry zalahy zay, nefa modesta mampivoatra ve sa mandetika ?

Isika somary tia manafinafina izay, rehefa misy zavatra tsara dia tsy lazaina amin'ny olona, nefa rehefa misy zavatra ratsy sanatria anefa dia tsy maintsy zaraina amin'ny olona, ary maninona raha mba zaraina koa ny zavatra tsara e ? Mahafinaritra anie ny maheno zavatra tsara e, sa ahoana hoy nareo ? Eny fa na izaho manoratra ito aza manao an'izany. Ary te hiala amin'izay aho anefa fa hitako tsy mampivelatra. (Efa miala tsikelikely). Mbola mitady  sy miandry fandresena lahatra vitsivitsy :-)

Asa raha mandinika ianareo fa matetika rehefa misy zavatra iray mitranga dia ny fanontaniana mipetraka ao an-tsaina hoe iza ?  Izao no nanao an'io, iza avy ? Dia lasa mitady ny mikasika an'iny olona iny mihitsy aza indraindray.

Raha mijery an'ireny forum vazaha ireny nareo , jereo anie fa matetika misy signature foana isaky ny message miampy ny tena anaran'ilay olona, indraindray aza miaraka amin'ny sary mihitsy. Ny antsika eto izao pseudo daholo, afa-tsy olona iray ihany !!(iza ary ? )

Mahafinaritra aloha ny misy an'itony blog itony mba hahafahana miala amin'ilay izy tsikelikely :-)




Powered by LifeType