Diam-penina

14 Feb, 2007

Hanokatra blaogy resaka eseky

Echecs — Nampidirin'i fraz @ 18:08

Tafaresaka tamin-dra Lapino sy ra Simplex aho omaly tolak'andro dia nisy resaka nandeha tao fa hanokatra blaogy miresaka eseky ka i simplex no hiandraikitra azy. Efa nanandrana nanokatra izy omaly fa ohatran'ny tsy mandeha  ny mail eto @ serasera ka raha afaka fandrihan'ny tompon'andraikitra mialoha ny eseky.blaogy.org dia hisaorana azy.

Nilalao tamin'ny lapino koa aho omaly fa dia  asa zay kotranan'izy mitsamy ao fa tena nivoatra be mihitsy nedala. Ny tena atao ao amin'ilay blaogy vaovao hono izany dia karazana analyse na partie dia samy maneho ny heviny eo daholo. Ankoatr'izay dia miresaka manodidina ny tontolon'ny Eseky ihany koa.

 


Hevitra

  1. Jereo fa sao dia any @ spam no nilatsaka ny email avy @ serasera...

    Toa mandeha tsara mantsy ny email.

    Raha tsy izany dia mandehana ao @ http://login.serasera.org dia tsindrio ilay hoe Hadino ny tenimiafina

    Nampidirin'i Hery — 14 Feb 2007, 20:50

  2. Tena tsy misy ao @ spam. Ny ahy ilay mail rehefa avy manisaka no tsy mahazo aho, toy izany koa ny an'lapino, amin'ilay lalao.seraseraorg io. Ny an'i simplex ilay mail ao fanaovana login.

    Nampidirin'i fraz — 15 Feb 2007, 01:41

  3. Ny ahy indray mangataka tsy handefasana mail mihitsy ka :)

    Momba ilay blaogy eseky, dia efa mangataka sahady an'ireo izay efa mahay mba hanampinampy amin'ny coms e.

    Fa ozizy ra-simp zay hoe efa favo be ny vendrana taloha ao @ lalao.serasera.org! :)

    Nampidirin'i lapino — 15 Feb 2007, 02:10

  4. sali doly,

    Le olana nolazaiko an'i hery tany @ forum ihany io. Tsy azoko tsara fa tsy mety ampiasaina ao @ login.serasera.org ny ps@serasera.org... Zany hoe za kou no variana t@ le resadresaka tao iny ka tena efa lasa le izy vao tadidiko hoe kay moa tsy mety iny. Avy eo anefa tsy manaiky intsony izy fa efa misy manana ozy le anarana hoe "eseky" :)

    Nandramako ihany koa le hoe hadino ny teny miafina, d nolazainy hoe nalefa any ny fanazavana momba ny tenimiafina vaovao fa eeee tsy misy e-mail tonga ihany any. Kanefa manao test @ le adiresy email tena mande tsara tsisy 1 minitra akory fa vao mivadika tab d efa tonga le e-mail test...

    Tsy azo atao nga ra supprimer-na le ps hoe "eseky" teo d afaka manao e-mail hafa, misoratra anarana vaovao indray :D

    lap,

    efa misy fivoarana lesy na d mbola tsy maharesy an'zala aza d efa mikaoty zay a. Le fika koa nge mba hoe manoratra ato d sady mianatra ihany e. sa ahoana?
    Ny tena tanjona handresy andry lerony fa aza mikozikozy :)

    Le izy atao admin doly ny mpilalao mavitrika rehetra sady manoratra fa aiza no de ho comms fotsiny. i fraz zao mahalala ny kalaza lahy any v d tsy ho soratany ny resadresaka exclusive azony tany :) pas bien, pas bien du tt.

    Nampidirin'i simplex — 15 Feb 2007, 03:53

  5. hi!hi!hi!, misy ol ho resiko bdb @ izay zany izao ato ho ato fa efa ho avy ny sopapa :D

    tsara le hevitra ka, mbo misy hiananara

    mazotoa doly e!

    Nampidirin'i futur favo ( pitou ) — 15 Feb 2007, 21:11

  6. Masaka koa izany blaogy natokana hoan'ny eseky izany. Na dia efa ela no nilalao farany, mazoto ny hiady hevitra, satria ny eseky hono toa mampihetsiketsika ny atidoha foana.

    Nampidirin'i Voromailala — 17 Feb 2007, 08:41

Powered by LifeType