Diam-penina

19 Feb, 2007

K7 tamin'ny androny

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 18:54

Efa lasa lavitra mihitsy moa izao ny teknolojia ankehitriny ary ireo mpanamboatra dia miezaka ny mba hanao zavatra mora ampiasaina sy tsotra be hatrany, lasa any indray manko izao no tian'ny olona.

Fa raha hiverenana kely ny andron'ny K7, indrindra ireo radio K7 misy azo hambara ihany :

- Voalohany aloha tsy tonga dia fantatrao avy hatrany na mivadika na tsia ny K7 ampidirina raha tsy hoe efa zatra mampiasa matetika. Madainga angamba izay miteny hoe tsy namadika K7 mihitsy tamin'ny nampiditra azy na amin'ny tranony io na amin'ilay fandefasana azy :-)

- Faharoa, ny K7 dia misy face anankiroa : A sy B no fiantso azy fa io koa dia tsapa vitan'akoho raha sendra hoe tsy misy soratra ka rehefa tsy face A izy izay dia face B...

- Fahatelo : Tsy afaka tonga dia hoe mihaino izay hira tianao avy hatrany ianao fa na manindry touche REW na FF. Raha misy hira fihainonao matetika izany dia ny hatevin'ilay bande fotsiny no atao répère hoe rehefa tatak'izao ny hateviny dia tokony mitontona eo @ ilay hira izay. Rehefa hianatra tononkira izany moa dia miasa matetika mihitsy ny touche STOP sy ny REW :-)

- Fahaefatra : Ny aza mba tapaka ny bande aloha fa tonga dia vita ny hira e. Azo hatohy amin'ny scotch ihany izy ka raha tsara vintana dia mba tsy heno ilay misaoty tampoka be. 

- Fahadimy : Rehefa hanao enregistrement ianao dia tsy maintsy tsindriana miaraka tsara ny touche PLAY sy REC 

- Fahaenina : Ny tena gravy dia ity. Indraindray moa rehefa mahita tournevis iny dia mba te hanokatra mba hijerena ny ao anatiny; mba hoe hanadio sy hanala kadradraka e :-) dia nisy karazana modely na radio K7 maromaro taloha ka rehefa voaala daholo ny vis rehetra dia mbola misy miraikitra ihany dia ny réaction hoe sintomina kely mafimafy dia mivaha; ary dia mivaha tokoa fa saingy tapaka avy hatrany ilay plastika kely fanaovana EJECT sy fanidiana azy iny dia eo no raisina fa lasa misanilanila tazomina amin'ny scotch sisa ilay fanidiana azy. Rehefa mamaha azy izany dia tsy maintsy avela hisokatra aloha (EJECT) izay vao sintomina. In-3 tratran'io aho fa tena fay !!!

Tamin'izany androny mantsy nalaza be ny K7, indrindra teo @ hotel de ville taloha teo ary isaky ny zoma dia misy nouveautés foana . Amin'izao moa dia efa any @ CD sy ny DVD indray no tena mandeha.

 


Hevitra

Powered by LifeType