Diam-penina

11 Mey, 2006

Ala-tahaka

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 07:10
Dia mahavariana mihitsy ity resaka ala-tahaka ity fa dia tena taletantsika mihitsy. Resaka fidiram-bola no resahako eto fa raha vao hita hoe mandeha na mitady handeha kely dia raikitra ny handeha hanao mitovy amin'iny koa. Anisan'ny nalaza taloha ny resaka baby-foot tamin'ny andron'ny zaza miavotra :-) , tao koa ny resaka billard antsisin-dalana (nalaza ambatolampy tamin'ny fanamboarana azy) , dia nisy ihany koa ny resaka kilarinety sy yaourt amin'ny sachet, dia teo koa ny fivarotana finday teo analakely teo, dia tao koa ny fivarotana fahana finday ilay misy elo kely eran'ny tanana ireny, tao ny resaka safira tany ilakaka (betsaka ny tsy tafody avy any ...) dia amin'izao moa efa feno izy ny 'Analakely-Sicam-Ambohidahy-Anosy' :-) taxi-be io .... Mahavariana !!

Hevitra

  1. Mbola ho avy koa ny anjaran'ny ifg! :)

    Nampidirin'i lapino — 11 Mey 2006, 08:21

  2. Fa mahazo vola ary ry zalahy koa! inona no azo atao moa?

    Nampidirin'i jentilisa — 11 Mey 2006, 08:44

  3. Raha mampidi-bola ho azy aloha aleo ataony koa !

    Nampidirin'i fraz — 14 Mey 2006, 07:29

  4. dia marina daholo ireo.Io no tena blem eto an-tanana raha ny fandinihako azy.Tsy mba mahay mamorona mihitsy isika gasy na amin'ny lafiny inona io na na lafiny inona.maka tahaka foana.Jereo ny ├ępicerie eran'ny tanana,tsy misy fehiny fa dia samy manao izay tiany atao.Raha vao mba misy mba hampanaja ny lalana dia lazaina fa mpanavakavaka sy miseho milay.

    Nampidirin'i hira72 — 17 Mey 2006, 14:39

Powered by LifeType