Diam-penina

Hanokatra blaogy resaka eseky

Echecs — Nampidirin'i fraz @ 18:08

Tafaresaka tamin-dra Lapino sy ra Simplex aho omaly tolak'andro dia nisy resaka nandeha tao fa hanokatra blaogy miresaka eseky ka i simplex no hiandraikitra azy. Efa nanandrana nanokatra izy omaly fa ohatran'ny tsy mandeha  ny mail eto @ serasera ka raha afaka fandrihan'ny tompon'andraikitra mialoha ny eseky.blaogy.org dia hisaorana azy.

Nilalao tamin'ny lapino koa aho omaly fa dia  asa zay kotranan'izy mitsamy ao fa tena nivoatra be mihitsy nedala. Ny tena atao ao amin'ilay blaogy vaovao hono izany dia karazana analyse na partie dia samy maneho ny heviny eo daholo. Ankoatr'izay dia miresaka manodidina ny tontolon'ny Eseky ihany koa.

 


[Chess] - Tafaresaka tamin'i Didier Ratiarison

Echecs — Nampidirin'i fraz @ 17:47

Namonjy fivoriam-pianakams moa izahay tamin'ny sabotsy teo dia nihaona tamin'i Didier Ratiarison aho, samy vinanto mantsy izahay (mpianadahy ny rafozana) . Ho an'izay tsy mahalala dia Didier Ratiarison dia efa Champion de Madagascar tamin'ny Echecs (efa im-pito angamba raha tsy diso ny fitadidiako) tamin'ny taona 80-90 tany ho any.

Resaka Echecs moa no tena betsaka nataon'lery, miresaka ny situation any Madagasikara hoe tsy dia be intsony ny sponsor tamin'izy nikarakara tournoi farany tany. Efa namporisihan'ny minisitra mihitsy aza hoe hisahana ny federasionina fa nihemotra noho io antony voalaza eo ambony io. Betsaka ny Malagasy no mahay Echecs kanefa tsy afaka miantehitra amin'io be loatra.

Ankoatr'izay moa dia niresadresaka ny tournoi eto Frantsa. Izy dia mpanafika an'ireny tournoi international ireny, izay matetika hahitana an'ireo GMI na MI avy any antsinanana. Toa milaza handray anjara amin'ilay tournoi amin'ny volana mars 2007 ho avy izao ao Yvelines ao nedala.

Misy gasy mpilalao Echecs ao Strasbourg angamba  mety mahalala azy tsara. Ny fomba filalaony dia agressif (taktika) be , tsy misy miditra loatra amin'ny positionnel izy, raha mitamatama mety matiny raim!

 

 


[Chess] Topalov vs Kramnik - Elista 2006

Echecs — Nampidirin'i fraz @ 23:11

 

Tsy maintsy misy zavatra mikorontana kely foana. Amin'izao dia misy ny atao hoe match de réunification izay hihaonan'ny champion du monde FIDE : Topalov amin'ny champion du monde classique : Kramnik ; izay mandresy amin'izy ireo no ho lasa champion du monde tokana. Nohon'ny tsy fitovian-kevitra tany aloha tany mantsy no nahatonga an'ireo hizara toy izao, nanomboka tamin'ny nihaonan'i Kasparov sy i  Nigel Short.

Dia mandeha moa izao ny fihaonana ataon'izy mirahalahy; mitarika amin'ny isa 3 noho 1 izao i Kramnik. Dia tsy maintsy misy foana ny sampona fa tsikaritry ny ekipan'i Topalov hoe tsy dia maharitra loatra eo amin'seza hipetrahana i Kramnik rehefa avy manetsika fa mandeha amin'ny trano fisainana foana; dia mijery kely hoe efa nanisaka ve i Topalov dia miverina any indray. Lasa ny ahiahin'izy ireo ka nametraka fitarainana. Heverin'izy ireo mijery ordinatera ao amin'ny trano fisainana ao angamba. Somary sendaotra tamin'izany fihetsika izany koa ry zareo ao amin'ny ekipan'i Kramnik.

Mbola misahotakotaka be ilay fa androany izao no tokony hanao ny fihaonana faha-dimy dia tsy tonga teo amin'ny toerany Kramnik. Niteny izy moa hoe rahampitso no hilalao an'io. Ny mpitsara kosa dia efa nanapa-kevitra fa hoe forfait i Kramnik tamin'iny lalao faha-dimy iny.

Ho hita eo ny tohiny indray rahampitso. Izay te hijery dia afaka manaraka mivantana amin'ny http://playchess.com (mila maka an'ilay client) miaraka amin'ny commentaires en direct. Mety betsaka ihany koa ny broadcast live any ambadika any. Ny ao amin'ny http://www.chessbase.com/ koa dia manome vaovao matetitetika ihany.

 

14/10/06 : Ny position farany

 

16/10/06 :  Video mamintina ny fihaonana farany miaraka amin'ny conférence de presse http://www.youtube.com/watch?v=va9Hxr7bfEk

 


Lesona Eseky wikianja

Echecs — Nampidirin'i fraz @ 09:12

Ary sendra nijerijery fotsiny fa hay efa misy lesona Eseky ao amin'ny wikianjantsika nataon'ny namana Hery. mpilalao eseky ao amin'ny lalao.serasera.org. Ho an'ireo izay te hianatra dia afaka mijery ao moa ireo efa mahay dia afaka manampy ao koa.

Manampy an'io dia ireto amin'ny sary ambany ireto ny boky fampiasako efa voafantina tamin'ireo maromaro fa ny boky anisan'ny tsara koa dia ny "Mon Système" Tome I sy II raha hoe te hanomboka handalina (jeu positionnel). Boky stratégie ny ankabezan'ireo fa torohevitra raha tactique aleo amin'ny ordinateur no mianatra, sady mora atao no haingana kokoa. Toy izay koa ny fianarana ouverture na finale.

 

DSC01983

Fanampin-tsary :

 

Echiquier  Boky

Echecs : serveur AJAX voalohany

Echecs — Nampidirin'i fraz @ 07:37

Ry zalahy ao amin'ny 64pola dia milaza fa ry zareo no nahavita ny serveur na lalao Echecs AJAX voalohany , izany hoe interactive mihitsy ny lalao. Ny zavatra ilaina dia tsy misy afa tsy navigateur sy Javascript fotsiny ihany dia mety. Mampamangy izany ny interface mavesatra mampiasa applet.

 

 

 


Hianatra Echecs ? Atao inona

Echecs — Nampidirin'i fraz @ 08:07

Fampidirana fotsiny aloha no ataoko ato amin'ny voalohany.Araka ny fantantsika rehetra dia lalaon-tsaina ny Echecs, izany hoe mila mampiasa saina fa tsy afaka atao automatique fotsiny.

Dia mety manontany tena ianao hoe hianatra Echecs mba haninona anefa ? Dia izao no mba toro-hevitro hoe ataovy fialam-boly fotsiny ihany. Fa alohan'izany aloha dia andraso teneniko eto ny zava-tsoa sy ny zava-dratsy (misy mantsy) mety ho azo


 (tohiny)

Hilalao Eseky !

Echecs — Nampidirin'i fraz @ 07:57

Dia nanapa-kevitra aho dia hiresaka Echecs ihany koa ato amin'ity Blog ity. Betsaka moa no azo ambara mikasika azy ity fa dia ho hita mian-dalana eo. Fa aza adino fa eto amin'ny serasera.org dia efa misy site anankiray azo hilalaovana "Echecs par Correspondance", izany hoe tsy voafetra ny fotoana fa rehefa manam-potoana ianao dia manisaka , ary ny mahatsara dia mahazo mail ianao rehefa nikisaka ny adversaire.

 

Tsidio ary ny http://lalao.serasera.org 


Powered by LifeType