Diam-penina

Tahak'izay aho mba ratsy fanahy

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 23:23

Nisedra olana kely izahay satria nisy nangalatra ny piesy sasan-tsasany amin'ny fiara (kodiarana, seza, ary jiro aloha). Dia lasa moa izany nandeha nankany amin'ny polisy (izay no tao an-tsaina voalohany) nanao déclaration dia sady nanontany an-dry zareo hoe inona no tokony atao avy eo. Antsoy hoy izy ny assurance-nareo.

Dia niantso ny assurance satria hoe misy assurance contre le vol tsinona ilay izy. Tsy misy problème hoy ry zareo fa misy franchise aloha kely fotsiny ka antsoy ny mondial assistance hanao remorquage ny fiara dia ateriny any @ garage agrée amin'ilay assurance avy eo dia miandry ny expert hanao constatation sy évaluation ny dégat. Mbola mirindra tsara hatreo an.

Dia nandalo tany @ ilay garage ny expert (expert hono mantsy ny filaza ny olona manao constatation)  hanao ny asany. Dia avy eo moa aho niantso an'ilay garage nanontany vaovao : hoy ry zareo tao hoe antsoy ilay expert fa misy zavatra tsy cohérent hitany hono.

Dia niantso an-dranamana (expert izy amin'io an) aho dia manomboka amin'izay ny tantara : 

- Nanao ahoana ho'a ny valin'ny évaluation nataonareo ?

- Dia hoy lery hoe  : Tena tsy mifanaraka amin'ny déclaration nataonareo hoy izy ny zavatra hitako

- Fa ahoana ho'a izany ?

-  Ny seza hoy izy tsy d'origine, ny jiro tsy mifanaraka ny fil sady misy tranonkala ka tsy hay hoe ahoana no nahatonga an'ireo piesy ireo niala tao. Sady tsy misy facture hoy izy ilay izy.

- Nanomboka zendana aho teo sady miakatra ny feo : Efa ohatran'io ho'a no nividiananay azy ( marihana fa dokazy ilay izy) ka izaho ve ho'a handeha hividy dia handinika hoe d'origine ve zany seza zany ? Marihiko ho'a fa nisy contrôle technique ara-dalana io tamin'ny nividiananay azy.

- Ka tokony natao contrôle technique izany hoy izy , tsy conforme e, blablabla be teo

- Ka maninona ary ho'a ny assurance no nanaiky hanao contrat raha izany ? Ary ny fahalalako an'izany expert izany ho'a tokony hoe manao ny évalutation ny zavatra tokony soloina fa tsy lozana manisa ny tranonkala. Raha izany ho'a andeha mba hanao expert koa aho. sao dia heverinareo fa mahafinaritra ahy ary ho'a ny handeha hifanamerda sy handany andro hanao an'izao sy izao. Ohatran'ny heverinareo fa hoe izahay ho'a zany no migafy ny tomobil mba hahazoana remboursement.

- Ka izay hoy izy ny constatation  fa anjaranareo sy ny assureur no mijery ny tohiny.

- ppfff notapahiko haingana moa ny tel fa mandreraka na ny miresaka  @ lery aza.

....

Dia naharay ttsy avy @ ilay expert be teo omaly manamafy hoe tsy mifanaraka @ déclaration nataonareo ny constatation nataoko. Manana délai 15 jours nareo hanaovana contre-expertise fa nareo andefa  no miantoka ny expert alainareo amin'izay ( 450 euros eo ho eo). Raha tsy misy valiny alohan'io dia raisiko toy ny foana ny déclaration nataonareo ary tsy manana droit @ remboursement ianareo.

Rehefa avy nijerijery forum etsy sy etsy dia efa fanaon-dry zalahy ilay izy. Ny cas-nay aza tsy dia pire loatra kanefa kosa ny zavatra tsapa dia mitovy ho an'ireo izay tratrany (leo, tofoka, romotra, ... tsy haiko ntsony). Raha fantatro mialoha izao zavatra izao dia naleoko izaho ihany no nanamboatra ny fiara. Ianao manao déclaration am-pahatsorana ary tsy mieritreritra ny hamely ny assurance fa kosa mba mitaky ny droit-nao ara-dalana (izay no handoavam-bola isam-bolana), ry zareo etsy an-daniny tena manalika sy manafitohana ary ataony mihitsy izay hahaela ny traitement ny dossier.

Fehiny : Na assurance tous risques aza dia tandremo fa ataon-dry zareo izay hialana pa (vakio tsara mihitsy ny contrat). Raha zavatra kely no voa, aleo tsy déclarer-na fa hamboarina fotsiny dia milamina na azo atao koa ny mifanafitohina amin-dry zalahy hatramin'ny farany miantso ny protection juridique fa ny olana amin'io maharitra ela (18 mois ) ny fiandrasana.

 


Hery Rakotomanantsoa

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 19:44

Raha sendra mahita an'ity i Hery Rakotomanantsoa na misy olona mahalala azy dia mba hiangaviana hametraka mail hahafahana mifandray aminy.

Mpiara-mianatra sy mpinamana ary samy mpilalao Echecs izahay. Nipetraka tao Anatihazo Isotry izy taloha fa izao tsy haiko intsony.

Misaotra indrindra. 


K7 tamin'ny androny

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 18:54

Efa lasa lavitra mihitsy moa izao ny teknolojia ankehitriny ary ireo mpanamboatra dia miezaka ny mba hanao zavatra mora ampiasaina sy tsotra be hatrany, lasa any indray manko izao no tian'ny olona.

Fa raha hiverenana kely ny andron'ny K7, indrindra ireo radio K7 misy azo hambara ihany :

- Voalohany aloha tsy tonga dia fantatrao avy hatrany na mivadika na tsia ny K7 ampidirina raha tsy hoe efa zatra mampiasa matetika. Madainga angamba izay miteny hoe tsy namadika K7 mihitsy tamin'ny nampiditra azy na amin'ny tranony io na amin'ilay fandefasana azy :-)

- Faharoa, ny K7 dia misy face anankiroa : A sy B no fiantso azy fa io koa dia tsapa vitan'akoho raha sendra hoe tsy misy soratra ka rehefa tsy face A izy izay dia face B...

- Fahatelo : Tsy afaka tonga dia hoe mihaino izay hira tianao avy hatrany ianao fa na manindry touche REW na FF. Raha misy hira fihainonao matetika izany dia ny hatevin'ilay bande fotsiny no atao répère hoe rehefa tatak'izao ny hateviny dia tokony mitontona eo @ ilay hira izay. Rehefa hianatra tononkira izany moa dia miasa matetika mihitsy ny touche STOP sy ny REW :-)

- Fahaefatra : Ny aza mba tapaka ny bande aloha fa tonga dia vita ny hira e. Azo hatohy amin'ny scotch ihany izy ka raha tsara vintana dia mba tsy heno ilay misaoty tampoka be. 

- Fahadimy : Rehefa hanao enregistrement ianao dia tsy maintsy tsindriana miaraka tsara ny touche PLAY sy REC 

- Fahaenina : Ny tena gravy dia ity. Indraindray moa rehefa mahita tournevis iny dia mba te hanokatra mba hijerena ny ao anatiny; mba hoe hanadio sy hanala kadradraka e :-) dia nisy karazana modely na radio K7 maromaro taloha ka rehefa voaala daholo ny vis rehetra dia mbola misy miraikitra ihany dia ny réaction hoe sintomina kely mafimafy dia mivaha; ary dia mivaha tokoa fa saingy tapaka avy hatrany ilay plastika kely fanaovana EJECT sy fanidiana azy iny dia eo no raisina fa lasa misanilanila tazomina amin'ny scotch sisa ilay fanidiana azy. Rehefa mamaha azy izany dia tsy maintsy avela hisokatra aloha (EJECT) izay vao sintomina. In-3 tratran'io aho fa tena fay !!!

Tamin'izany androny mantsy nalaza be ny K7, indrindra teo @ hotel de ville taloha teo ary isaky ny zoma dia misy nouveautés foana . Amin'izao moa dia efa any @ CD sy ny DVD indray no tena mandeha.

 


Mbola malaina be

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 16:25

Mandalo kely fotsiny fa mbola malaina be, miezaka miverina tsikelikely amin'ny tontolo nosafidiana. Nifanena tamin-dra Hery tany @ fihaonana serasera moa izaho sy ra RTN tamin'ny asabotsy 19 Août 2006 teo, miaraka tamin'ireo namana samihafa mazava ho azy.
 

Fehiny : Video nalain'i RTN sy  sary nalain'i ds

 


PMU garanti 100% mahazo

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 07:46

Mitangorona ny olona teo andohan' Analakely teo, teo ampitan'ny Firaisana I dia mba nijery hoe inona ary izany dia io ranamana iray miaraka amin'ny cahier 100 pages eo ho eo efa feno soratsoratra sy chiffres be dia be. Feno sary géometrie be dia be, misy triangle isocèle, polygone, ireny miaraka amin'ny chiffre eny @ sommet, izay rehetra mety handresena lahatra hoe mitombina ny zavatra ataony, dia miaraka @ taratasy maromaro misy ny valin'ny PMU tany aloha hanamarinana hoe tena mitombina ny théorie an'lery. Betsaka aloha ny rarakivy e :) . Mandeha daholo amin'izany ny lanjan'ny Jockey, ny numero entin'ilay soavaly, izay misy chiffre azo ampiasaina rehetra.

Izany hoe raha ny tokony ho izy izany dia mahazo PMU foana lery matetika na isaky ny mihetsika. Receveur na taxi-be ny asa ataon'lery.


Dia ny manomboka mahagaga dia manampy ny olona hahazo lery ka ny olona no asainy mividy ticket dia izy no manome ny numero izay "sur 100% fa mahazo" sady ordre mihitsy hono an! Ny takalony dia 5000 Fmg isaky ny ticket vidiana (izany hoe mety hoe be dia be indray zany ny numero mahazo raha izany :))

Dia mba lasa ny saina hoe raha resaka chiffre sy calcul isan-karazany ve no hahazoana an'io tsy efa faillite ny PMU ?

Izaho aloha mba efa nahazo tiercé fa désordre e :-) (120 000 Fmg) ... fa tsy nampiasa triangle isocèle aho tamin'izay.....


Papa no fiantson'ny ankizy an'i Dadanay

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 09:01
Mpampianatra asa marika (matematika) no nahafantaran'ny be sy ny maro azy. Nampianatra tany Antsirabe sy tao Antananarivo izy. Naharitra teo amin'ny 27 taona teo ho eo izy no nampianatra asa marika tao amin'ny ESCA Antanimena. Izaho dia anisan'ny mpianany sady zanany rahateo. Betsaka ireo ankizy mpianany no tsy nanadino azy, betsaka koa ireo izay tena natahotra azy tamin'ny izy ireo mpianany, rehefa hanao examen izany dia misy tena migogogogo mitomany mihitsy (tena marina io)

Mangina heno hatramin'ny lalitra maneno ao am-pianarana rehefa mampianatra izy, izy anefa tsy masiaka nefa tsy hentitra be ihany koa. Raha tia mikirakira marika dia tsy heno akory ny fandehan'ny adin'ny roa.

Tamin'izaho mpianany dia mitovy amin'ny ankizy rehetra ihany. Roa taona aho no mpianany izany hoe 1ère sy Terminale. Classe de seconde aho no nampiany farany teo amin'ny famerenana any an-trano, fa nanomboka teo dia nandeha samy irery, indraindray fotsiny izy no manampy kely taty aoriana. Ny zandriko vavy koa dia nampianarina taty aoriana fa vetivety ihany, avy eo moa izy nijanona nisotro ronono.

Amin'izao izy dia tsy mampianatra marika intsony, ny manao mots croisés amin'ny gazety sy boky ireny no tena fialam-boliny. Anisan'ny tia
mamaky boky be ihany koa izy.

"Papa" moa no surnom fiantson'ny ankizy azy tany am-pianarana. Dada no kosa fiantsonay azy any an-trano. RAZANAMPARANY François no tena anarany.

Toraka taolan-katsaka

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 09:21

Adalana tamin'ny mbola kely io, roalahy izahay no nilalao azy. Toy izao ny fandehanan'ny lalao : Teo Besarety io, manangona an'ireny taolan-katsaka ireny atao any anaty harona kely dia mankeo amoron'arabe miandry tomobilina mandalo, ny tomobilina amin'io avy any @ ankavia mankany @ havanana, tsy hita ny fahatongavany fa takonan'ny rindrina. Ny tanjona dia izay mahatafiditra taolan-katsaka be indrindra  ao anaty tomobilina mandalo. Miala any  ary misy
tomobilina heno mitady handalo, efa vonona ny tanana hitoraka, vao mipoitra tonga dia lasa izao, toraka hitsin-dalana be, dia jerena fotsiny hoe tafiditra na tsia dia avy tonga dia mitsoaka be any anelakelan-trano dia misy manivaka kely tonga dia any antrano mody tsy taitra.

"Avia kely ianareo roalahy aty e!"
, lasa niantso polisy ilay olona notorahanareo tamin'ny taolan-katsaka izany fa mipetraha tsara eto amin'ny seza eto miandry an'ireo polisy haka anareo, hoy ilay tantine-nay. Fa zany tena teram-tsemboka, nangovitra, nipararetra tsy hay  intsony izay hilazana azy. Niandry teo zahay efa ho adin'ny telo, tsy nisy polisy tonga fa hay fibedesanay anay ilay izy fa nanaomboka tamin'izay tena fay tsy sahy intsony !!

 


Tapika tsy azo raisina

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 14:19
Mahatsiarotsiaro ireo kilalao fahiny tamin'ny mbola kely , misy an'ity hoe Tapika tsy azo raisina ity, efa tratra aho taloha fa fay mihitsy, nirahina nividy mofosira tery amin'ny tsenan'andravoahangy tery , tamin'izany mantsy nipetraka teny Anjanahary teny, mofosira folo tamin'izay , nofonosana taratasy tsara, dia nandeha nody nitondra azy, ry zalahy kay avy ao aoriana tao tsy tazako mihitsy fa tonga dia nokapohan-dry zalahy tampoka ny tanako, raraka daholo ny mofosira feno vovoka, tsy nisy azo natao intsony. Hany hery nody maina sady natahotra be ny ho bedy, sady tena bedy be mihitsy tamin'izany hoe tsy mahazo manao tapikapika izany intsony !!

Indray takariva nandrahona

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 18:04

Ny tazana tao amin'ilay tanana fahiny (Rouen) rehefa indray takariva iny !

DSC01319.JPG

Endrey ry Dada sy Mama

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 13:32

"I Neny nibaby, nitaiza nanasa. I Dada isan'andro torovana miasa" 

Eh dia mahavariana ny fitiavan-dray aman-dreny ry namana isany. Tsy mitandro hasasarana sy tsy mba mitsitsitsy mba hahasoa ny zanany. Tsy mitaraina aminao izy raha misy zavatra manjo azy , raha marary izy miteny aminao fa salama foana. Mangataka izay zavatra tinao ianao, miezaka izy ireo ny hanome anao an'iny.

Ny zavatra tsy ho adinoko ary ho tsaroiko mandra-pahafatiko dia indray mandeha izay aho narary , tsy nanam-bola ny ray aman-dreniko tamin'izay, tsy nitaraina aho kanefa hitany natory teo am-pandriana dia nanontany izy hoe fa maninona ianao ? Dia somary reraka ho'a fa matory sy maka aina kely fotsiny.

Dia nandeha izy, i dada io , lasa izy nivoaka tany ivelany tany. Niverina avy izy nitondra calcium sy vitamine ho ahy. Izay vola notahiriziny ho atao tahiry sy vatsy , nolaniany tamiko daholo. Nalahelo aho tamin'izay nefa sady faly ihany koa, satria tsapako fa tia ahy ny ray aman-dreniko.

Ankehitriny raha mbola azoko atao koa arak'izay tratry ny heriko manontolo dia ny hamaly fitia azy ireo zareo. Hiezaka aho mba hampifaly sy hampiadana azy ireo,hampilamin-tsaina hanome azy izay zavatra tsy azony taloha noho izaho.

Ho anareo izay mamaky an'ity, dieny mbola tsy tara loatra raha azo atao, araraoty ny fotoana rehetra na dia kely monja aza , eny fa na dia taratasy kely misy teny mamy fotsiny aza, handraisana anjara amin'ilay teny hoe "valim-babena".

Ka izao no lazaiko : 

"Ianareo no naha toy izaho ary  matokia ahy fa tsy ho adinoko mandrakizay ianareo."

Misaotra ry Dada sy Mama ! 


Powered by LifeType