Diam-penina

Papa no fiantson'ny ankizy an'i Dadanay

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 09:01
Mpampianatra asa marika (matematika) no nahafantaran'ny be sy ny maro azy. Nampianatra tany Antsirabe sy tao Antananarivo izy. Naharitra teo amin'ny 27 taona teo ho eo izy no nampianatra asa marika tao amin'ny ESCA Antanimena. Izaho dia anisan'ny mpianany sady zanany rahateo. Betsaka ireo ankizy mpianany no tsy nanadino azy, betsaka koa ireo izay tena natahotra azy tamin'ny izy ireo mpianany, rehefa hanao examen izany dia misy tena migogogogo mitomany mihitsy (tena marina io)

Mangina heno hatramin'ny lalitra maneno ao am-pianarana rehefa mampianatra izy, izy anefa tsy masiaka nefa tsy hentitra be ihany koa. Raha tia mikirakira marika dia tsy heno akory ny fandehan'ny adin'ny roa.

Tamin'izaho mpianany dia mitovy amin'ny ankizy rehetra ihany. Roa taona aho no mpianany izany hoe 1ère sy Terminale. Classe de seconde aho no nampiany farany teo amin'ny famerenana any an-trano, fa nanomboka teo dia nandeha samy irery, indraindray fotsiny izy no manampy kely taty aoriana. Ny zandriko vavy koa dia nampianarina taty aoriana fa vetivety ihany, avy eo moa izy nijanona nisotro ronono.

Amin'izao izy dia tsy mampianatra marika intsony, ny manao mots croisés amin'ny gazety sy boky ireny no tena fialam-boliny. Anisan'ny tia
mamaky boky be ihany koa izy.

"Papa" moa no surnom fiantson'ny ankizy azy tany am-pianarana. Dada no kosa fiantsonay azy any an-trano. RAZANAMPARANY François no tena anarany.

Toraka taolan-katsaka

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 09:21

Adalana tamin'ny mbola kely io, roalahy izahay no nilalao azy. Toy izao ny fandehanan'ny lalao : Teo Besarety io, manangona an'ireny taolan-katsaka ireny atao any anaty harona kely dia mankeo amoron'arabe miandry tomobilina mandalo, ny tomobilina amin'io avy any @ ankavia mankany @ havanana, tsy hita ny fahatongavany fa takonan'ny rindrina. Ny tanjona dia izay mahatafiditra taolan-katsaka be indrindra  ao anaty tomobilina mandalo. Miala any  ary misy
tomobilina heno mitady handalo, efa vonona ny tanana hitoraka, vao mipoitra tonga dia lasa izao, toraka hitsin-dalana be, dia jerena fotsiny hoe tafiditra na tsia dia avy tonga dia mitsoaka be any anelakelan-trano dia misy manivaka kely tonga dia any antrano mody tsy taitra.

"Avia kely ianareo roalahy aty e!"
, lasa niantso polisy ilay olona notorahanareo tamin'ny taolan-katsaka izany fa mipetraha tsara eto amin'ny seza eto miandry an'ireo polisy haka anareo, hoy ilay tantine-nay. Fa zany tena teram-tsemboka, nangovitra, nipararetra tsy hay  intsony izay hilazana azy. Niandry teo zahay efa ho adin'ny telo, tsy nisy polisy tonga fa hay fibedesanay anay ilay izy fa nanaomboka tamin'izay tena fay tsy sahy intsony !!

 


Tapika tsy azo raisina

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 14:19
Mahatsiarotsiaro ireo kilalao fahiny tamin'ny mbola kely , misy an'ity hoe Tapika tsy azo raisina ity, efa tratra aho taloha fa fay mihitsy, nirahina nividy mofosira tery amin'ny tsenan'andravoahangy tery , tamin'izany mantsy nipetraka teny Anjanahary teny, mofosira folo tamin'izay , nofonosana taratasy tsara, dia nandeha nody nitondra azy, ry zalahy kay avy ao aoriana tao tsy tazako mihitsy fa tonga dia nokapohan-dry zalahy tampoka ny tanako, raraka daholo ny mofosira feno vovoka, tsy nisy azo natao intsony. Hany hery nody maina sady natahotra be ny ho bedy, sady tena bedy be mihitsy tamin'izany hoe tsy mahazo manao tapikapika izany intsony !!

Indray takariva nandrahona

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 18:04

Ny tazana tao amin'ilay tanana fahiny (Rouen) rehefa indray takariva iny !

DSC01319.JPG

Endrey ry Dada sy Mama

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 13:32

"I Neny nibaby, nitaiza nanasa. I Dada isan'andro torovana miasa" 

Eh dia mahavariana ny fitiavan-dray aman-dreny ry namana isany. Tsy mitandro hasasarana sy tsy mba mitsitsitsy mba hahasoa ny zanany. Tsy mitaraina aminao izy raha misy zavatra manjo azy , raha marary izy miteny aminao fa salama foana. Mangataka izay zavatra tinao ianao, miezaka izy ireo ny hanome anao an'iny.

Ny zavatra tsy ho adinoko ary ho tsaroiko mandra-pahafatiko dia indray mandeha izay aho narary , tsy nanam-bola ny ray aman-dreniko tamin'izay, tsy nitaraina aho kanefa hitany natory teo am-pandriana dia nanontany izy hoe fa maninona ianao ? Dia somary reraka ho'a fa matory sy maka aina kely fotsiny.

Dia nandeha izy, i dada io , lasa izy nivoaka tany ivelany tany. Niverina avy izy nitondra calcium sy vitamine ho ahy. Izay vola notahiriziny ho atao tahiry sy vatsy , nolaniany tamiko daholo. Nalahelo aho tamin'izay nefa sady faly ihany koa, satria tsapako fa tia ahy ny ray aman-dreniko.

Ankehitriny raha mbola azoko atao koa arak'izay tratry ny heriko manontolo dia ny hamaly fitia azy ireo zareo. Hiezaka aho mba hampifaly sy hampiadana azy ireo,hampilamin-tsaina hanome azy izay zavatra tsy azony taloha noho izaho.

Ho anareo izay mamaky an'ity, dieny mbola tsy tara loatra raha azo atao, araraoty ny fotoana rehetra na dia kely monja aza , eny fa na dia taratasy kely misy teny mamy fotsiny aza, handraisana anjara amin'ilay teny hoe "valim-babena".

Ka izao no lazaiko : 

"Ianareo no naha toy izaho ary  matokia ahy fa tsy ho adinoko mandrakizay ianareo."

Misaotra ry Dada sy Mama ! 


«Mialoha   1 2

Powered by LifeType