Ahoana tokoa ny fanalana ranomainty e ?
nikosoka ihany aho fa eee. Taloha aho mantsy mba nanandrana an'ireny eau de
javel ireny fa tena na tsy ranomainty aza afaka daholo ka tsy te hampiasa
an'io intsony aho
Misaotra ho an'izay manankevitra.
Efa hatramin'ny kely aho no voasarika tamin'ity resaka OVNI sy extraterrestre ity. Nahita lien anankiray nisy nandefa tao @ wanadoo tao ka apetrako eto dia jerijereo fa misy témoignage sy zavatra mahavariana maro. Vakio ato ary.
Ohatra fotsiny hoe iza no manao an'itony sary itony ? Efa nisy olona nanandrana mantsy fa tsy nahavita azy tao anatin'ny fotoana fohy .Jereo ato misy karazany maromaro.

Italie no Champion du Monde 2006 fa ny tena mameno ny gazety eran-tany dia ny afera Zidane sy Materazzi. I Zidane moa dia nilaza fa haneho ny heviny atsy ho atsy, The Guardian koa dia efa namoaka ny mety ho fifamaliana nataon'izy mitsamy, ny SOS Racisme mitaky enkety avy amin'ny FIFA dia ho hita eo ny tohiny.
Video mamintina ny sagan'asan'ingahy Materazzi : Jereo eto (Mpamely gaigilahy ihany nedala an)
Amin'ny resaka finoana dia ny mpino Kristianina no betsaka indrindra eo amin'ny 2 billion eo, manaraka ny Silamo eo amin'ny 1.3 billion ary ny fahatelo kosa dia ireo Athé izay miisa 1.1 billion.
Ireo no hita ato amin'ny ity fampitahana ity . Hahitana ihany koa ny mikasika ireo finoana samihafa misy izy io sy ireo hevitra fonosiny.
Fanamarihana : Ilay billion resahiny io dia azo adika hoe 1 000 millions amin'ny firenena hafa (Frantsa, Allemagne). Ny billion any U.S mantsy (mino aho fa any angamba io) dia 9 ny isan'ny 0 , any amin'ny hafa kosa ny billion --> million indroa --> 6 * 2 = 12 ny isan'ny 0 . Fa na izany na tsy izany aloha mitombina foana ilay fandaharana azy.
Anisan'ny mahavariana ny misiterin'ny zava-bitan'ny atidohan'olombelona. Ohatra fotsiny ity ambany ity : tsy misy mihetsika mihitsy amin'ireo sary ireo. Raha hijery ohatra misimisy dia alaivo ato
Powered by LifeType