Handefa vola
Ankoatran'ny Western Union izay hahafahana mandefa vola dia misy ihany koa ny madachange sady tsy dia misy protocole be atao no sady haingana. Jereo ao amin'ny siten-dry zalahy ao ny birao misy azy. Toa manao zavatra hafa ihany koa ry zareo, mivarotra entana sy ny sisa. Jerijereo ao sao mahasoa .
Raha misy mahafantatra hafa koa dia mba zarazarao e, fandefasana entana ...
3 Hevitra |
0 Verindrohy (trackback)
Alefa pôsitra @ colissimo dia alaina ao @ MIDEX etsy Andraharo raha entana. Ny saram-pandefasana tsy dia haiko loatra.
Iray volana ka hatramin'ny 1 volana sy tapany eo ny fiandrasana
entana anakiroa izay no nisy nandefa (1kg sy 2kg) fa tonga daholo.
Mbola mandoa douane ! .. dia arakaraky ny douanier ;-)
Nampidirin'i itoss — 19 Jol 2006, 13:12
Ilay alefa paositra mety ihany raha vao entana kelikely fa raha ohatra hoe unité centrale zao no alefa dia ahoana ? Indraindray koa ilay zavatra mora vidy nefa mavesa-danja dia tsy mahaleo ny sarany.
Nampidirin'i fraz — 19 Jol 2006, 13:32
modia ialahy dia ento manaraka @ Fret Aérien :-D :-D
Nampidirin'i itoss — 20 Jol 2006, 11:15