Ankoatran'ny Western Union izay hahafahana mandefa vola dia misy ihany koa ny madachange sady tsy dia misy protocole be atao no sady haingana. Jereo ao amin'ny siten-dry zalahy ao ny birao misy azy. Toa manao zavatra hafa ihany koa ry zareo, mivarotra entana sy ny sisa. Jerijereo ao sao mahasoa .
Raha misy mahafantatra hafa koa dia mba zarazarao e, fandefasana entana ...
Mpampianatra asa marika (matematika) no nahafantaran'ny be sy ny maro azy. Nampianatra tany Antsirabe sy tao Antananarivo izy. Naharitra teo amin'ny 27 taona teo ho eo izy no nampianatra asa marika tao amin'ny ESCA Antanimena. Izaho dia anisan'ny mpianany sady zanany rahateo. Betsaka ireo ankizy mpianany no tsy nanadino azy, betsaka koa ireo izay tena natahotra azy tamin'ny izy ireo mpianany, rehefa hanao examen izany dia misy tena migogogogo mitomany mihitsy (tena marina io)
Mangina heno hatramin'ny lalitra maneno ao am-pianarana rehefa mampianatra izy, izy anefa tsy masiaka nefa tsy hentitra be ihany koa. Raha tia mikirakira marika dia tsy heno akory ny fandehan'ny adin'ny roa.
Tamin'izaho mpianany dia mitovy amin'ny ankizy rehetra ihany. Roa taona aho no mpianany izany hoe 1ère sy Terminale. Classe de seconde aho no nampiany farany teo amin'ny famerenana any an-trano, fa nanomboka teo dia nandeha samy irery, indraindray fotsiny izy no manampy kely taty aoriana. Ny zandriko vavy koa dia nampianarina taty aoriana fa vetivety ihany, avy eo moa izy nijanona nisotro ronono.
Amin'izao izy dia tsy mampianatra marika intsony, ny manao mots croisés amin'ny gazety sy boky ireny no tena fialam-boliny. Anisan'ny tia
mamaky boky be ihany koa izy.
"Papa" moa no surnom fiantson'ny ankizy azy tany am-pianarana. Dada no kosa fiantsonay azy any an-trano. RAZANAMPARANY François no tena anarany.
Ahoana ny mba fanalana ranomainty t'stylo amin'ny akanjo e ? Tena mba
nikosoka ihany aho fa eee. Taloha aho mantsy mba nanandrana an'ireny eau de
javel ireny fa tena na tsy ranomainty aza afaka daholo ka tsy te hampiasa
an'io intsony aho
Misaotra ho an'izay manankevitra.
Efa hatramin'ny kely aho no voasarika tamin'ity resaka OVNI sy extraterrestre ity. Nahita lien anankiray nisy nandefa tao @ wanadoo tao ka apetrako eto dia jerijereo fa misy témoignage sy zavatra mahavariana maro. Vakio ato ary.
Ohatra fotsiny hoe iza no manao an'itony sary itony ? Efa nisy olona nanandrana mantsy fa tsy nahavita azy tao anatin'ny fotoana fohy .Jereo ato misy karazany maromaro.
Italie no Champion du Monde 2006 fa ny tena mameno ny gazety eran-tany dia ny afera Zidane sy Materazzi. I Zidane moa dia nilaza fa haneho ny heviny atsy ho atsy, The Guardian koa dia efa namoaka ny mety ho fifamaliana nataon'izy mitsamy, ny SOS Racisme mitaky enkety avy amin'ny FIFA dia ho hita eo ny tohiny.
Video mamintina ny sagan'asan'ingahy Materazzi : Jereo eto (Mpamely gaigilahy ihany nedala an)