Diam-penina

Toraka taolan-katsaka

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 09:21

Adalana tamin'ny mbola kely io, roalahy izahay no nilalao azy. Toy izao ny fandehanan'ny lalao : Teo Besarety io, manangona an'ireny taolan-katsaka ireny atao any anaty harona kely dia mankeo amoron'arabe miandry tomobilina mandalo, ny tomobilina amin'io avy any @ ankavia mankany @ havanana, tsy hita ny fahatongavany fa takonan'ny rindrina. Ny tanjona dia izay mahatafiditra taolan-katsaka be indrindra  ao anaty tomobilina mandalo. Miala any  ary misy
tomobilina heno mitady handalo, efa vonona ny tanana hitoraka, vao mipoitra tonga dia lasa izao, toraka hitsin-dalana be, dia jerena fotsiny hoe tafiditra na tsia dia avy tonga dia mitsoaka be any anelakelan-trano dia misy manivaka kely tonga dia any antrano mody tsy taitra.

"Avia kely ianareo roalahy aty e!"
, lasa niantso polisy ilay olona notorahanareo tamin'ny taolan-katsaka izany fa mipetraha tsara eto amin'ny seza eto miandry an'ireo polisy haka anareo, hoy ilay tantine-nay. Fa zany tena teram-tsemboka, nangovitra, nipararetra tsy hay  intsony izay hilazana azy. Niandry teo zahay efa ho adin'ny telo, tsy nisy polisy tonga fa hay fibedesanay anay ilay izy fa nanaomboka tamin'izay tena fay tsy sahy intsony !!

 


Saro-kenatra ve isika ?

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 09:32
Mety efa ho toetran'ny Malagasy mihitsy angamba ity hoe saro-kenatra, sadaikadaikatra, miafinafina, ka asa aloha na manampy ilay izy na ahoana.
Anisan'ny maha-samihafa antsika amin-dry zareo vazaha io, ry zareo ohatra rehefa mahavita zavatra anankiray tonga dia heno eran'ny tapi-tanana, tsy mihafahafa mihitsy izy miteny hoe izy no nahavita an'iny. Ary isika mba ahoana ?
Isika be tsy miteny, mangina fotsiny, modesta hoy ry zalahy zay, nefa modesta mampivoatra ve sa mandetika ?

Isika somary tia manafinafina izay, rehefa misy zavatra tsara dia tsy lazaina amin'ny olona, nefa rehefa misy zavatra ratsy sanatria anefa dia tsy maintsy zaraina amin'ny olona, ary maninona raha mba zaraina koa ny zavatra tsara e ? Mahafinaritra anie ny maheno zavatra tsara e, sa ahoana hoy nareo ? Eny fa na izaho manoratra ito aza manao an'izany. Ary te hiala amin'izay aho anefa fa hitako tsy mampivelatra. (Efa miala tsikelikely). Mbola mitady  sy miandry fandresena lahatra vitsivitsy :-)

Asa raha mandinika ianareo fa matetika rehefa misy zavatra iray mitranga dia ny fanontaniana mipetraka ao an-tsaina hoe iza ?  Izao no nanao an'io, iza avy ? Dia lasa mitady ny mikasika an'iny olona iny mihitsy aza indraindray.

Raha mijery an'ireny forum vazaha ireny nareo , jereo anie fa matetika misy signature foana isaky ny message miampy ny tena anaran'ilay olona, indraindray aza miaraka amin'ny sary mihitsy. Ny antsika eto izao pseudo daholo, afa-tsy olona iray ihany !!(iza ary ? )

Mahafinaritra aloha ny misy an'itony blog itony mba hahafahana miala amin'ilay izy tsikelikely :-)




Matoatoa

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 07:40
Nisy fandaharana tamin'ny tele (TF1) omaly miresaka ireo tantara mifono mistery vitsivitsy mampitolagaga. Voalaza tao ny fanasitranana any Lourdes, ny triangle de bermudes (izay manomboka voavaha tsikelikely hoe mety champ magnetique matanjaka be) fa ny malaza tao koa dia ny tany Angleterre , anisan'ny be matoatoa miseho . Ohatra ilay tamin'ny 21 Decembre 2003, tratran'ny camera de surveillance hono ny matoatoan' ingahy Henri VIII, varavarana misokatra ho azy dia misy olona miankanjo mainty lava be mivoaka eo, sy ny maro hafa koa fa tsy ho voatanisa eto fa dia azo lazaina hoe mahazendana ihany ilay izy, indrindra rehefa tsy hita izay hanazavana azy. Fa tsy efa mba tafiditra amin'itony tantara itony koa ve : ny resaka matoatoa manakana taxi ateriny eny amin'ny fasan'Anjanahary, ny mpandeha taxibe amin'ny dimy maraina teny Ambohitrarahaba miaraka manjavona daholo, ny jean mivadika anamamy ary ny peratra mivadika karoty :-) .

Tapika tsy azo raisina

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 14:19
Mahatsiarotsiaro ireo kilalao fahiny tamin'ny mbola kely , misy an'ity hoe Tapika tsy azo raisina ity, efa tratra aho taloha fa fay mihitsy, nirahina nividy mofosira tery amin'ny tsenan'andravoahangy tery , tamin'izany mantsy nipetraka teny Anjanahary teny, mofosira folo tamin'izay , nofonosana taratasy tsara, dia nandeha nody nitondra azy, ry zalahy kay avy ao aoriana tao tsy tazako mihitsy fa tonga dia nokapohan-dry zalahy tampoka ny tanako, raraka daholo ny mofosira feno vovoka, tsy nisy azo natao intsony. Hany hery nody maina sady natahotra be ny ho bedy, sady tena bedy be mihitsy tamin'izany hoe tsy mahazo manao tapikapika izany intsony !!

Êtes-vous sourd ? (Blagy)

Tsikaiky — Nampidirin'i fraz @ 13:40
Deux gars, dans leur soixantaine, parlent du vieillissement et l'un dit à l'autre :

- Le pire, c'est pour nos femmes : elles refusent d'admettre qu'elles vieillissent et essaient toujours de cacher leurs petits bobos.

- Tu as bien raison mais j'ai trouvé un sacré bon truc pour les prendre à leur petit jeu : ainsi, si tu veux savoir si ta femme commence à être sourde, place-toi à 10 mètres d'elle et pose-lui une question. Puis, quand tu verras qu'elle ne répond pas, avance-toi à 5 mètres. Puis à 2 mètres. Puis à 1 mètre. Et là, elle va devoir se rendre à l'évidence qu'elle est sourde !

Le sénior trouve l'idée très bonne et en entrant chez lui, il se place à dix mètres de sa femme et lui demande d'une voix forte :
- Chérie, qu'est-ce qu'on mange pour souper ?

Pas de réponse !

Il s'approche alors à cinq mètres et lui demande encore :
- Chérie, qu'est-ce qu'on mange pour souper ?

Pas de réponse !

Il s'approche encore, à deux mètres, et lui redemande :

- Chérie, qu'est-ce qu'on mange pour souper ?

Pas de réponse !

Le gars n'en revient pas ! Il s'approche alors à un mètre et hurle :
- Chérie, qu'est-ce qu'on mange pour souper ?

Sa femme se retourne et lui dit, l'air agacée :

- Pour la quatrième fois : du poulet et des frites !

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11  Manaraka»

Powered by LifeType