Diam-penina

Anniversaire - Mba tsy ho adino

Sao mahasoa ! — Nampidirin'i fraz @ 10:10

Anisan'ny mahafinaritra ny olona ny miarahaba azy tratry ny fety rehefa tonga ny vanin'andro nahaterahany. Misy fomba tsotra atoroko eto mba tsy hanadinoinao an'izany daty izany. Mety efa fantantsika fa atoroko eto ihany sao mahasoa ireo mbola tsy mahalala.

Voalohany aloha mila manana mail vao mety. Ny teknika an'ilay izy dia mampiasa an'ireny Agenda ireny na Calendar izay efa tolotra misy miaraka amin'ny fijerena mail en ligne ireny (Webmail) . Ny an' Yahoo no raisiko ohatra, manana ny antsoina hoe Agenda ry zareo , io Agenda io dia afaka ampiasainao hitahirizanao ny zavatra tokony ataonao rehetra, ary fanampin'izany dia afaka mandefa mail any aminao izy ho fampatsiahivana.

Tahak'ity ambany ity ny paoziny. 

 

Ny fanaovana azy dia toy izao. Tsindrio ilay bokotra hoe Agenda ery ambony ery (ao @ Yahoo io). Dia mahita ohatrn'ny amin'ity sary ity

 

 

Dia avy eo tsindrio ilay bokotra hoe Ajouter un évènement . Dia mahazo toy izao indray :

 

Dia fenoy ny banga fa aza adino ny manova an'ilay hoe "Répéter" dia ataovy hoe  "Tous les ans" , mba ho mandrakizay izy amin'izay . Dia midina ary ambanimbany ary dia misy an'izao :

 

 

 Io no hahafahanao mahazo mail rehefa manakaiky ny daty malaza. Safidio ny adiresy mail tianao handefasany ny fampatsiahivana.

 

Dia izay no atolotra , namako anankiray izay no nahitako hevitra an'io ka dia isaoraka azy.  Dia omeko anareo koa

 

Mazotoa daholo dia amin'ny manaraka indray. 

 

Fanamarihana : Raha @ Google (gmail) dia afaka mampiasa ny Google Calendar hahafahana manao zavatra mitovy amin'io. 


Powered by LifeType