Diam-penina

19 Apr, 2006

Hianatra Echecs ? Atao inona

Echecs — Nampidirin'i fraz @ 08:07

Fampidirana fotsiny aloha no ataoko ato amin'ny voalohany.Araka ny fantantsika rehetra dia lalaon-tsaina ny Echecs, izany hoe mila mampiasa saina fa tsy afaka atao automatique fotsiny.

Dia mety manontany tena ianao hoe hianatra Echecs mba haninona anefa ? Dia izao no mba toro-hevitro hoe ataovy fialam-boly fotsiny ihany. Fa alohan'izany aloha dia andraso teneniko eto ny zava-tsoa sy ny zava-dratsy (misy mantsy) mety ho azo


Fampidirana fotsiny aloha no ataoko ato amin'ny voalohany.Araka ny fantantsika rehetra dia lalaon-tsaina ny Echecs, izany hoe mila mampiasa saina fa tsy afaka atao automatique fotsiny.

Dia mety manontany tena ianao hoe hianatra Echecs mba haninona anefa ? Dia izao no mba toro-hevitro hoe ataovy fialam-boly fotsiny ihany. Fa alohan'izany aloha dia andraso teneniko eto ny zava-tsoa sy ny zava-dratsy (misy mantsy) mety ho azo

Ireo zava-tsoa azo avy aminy

Tanisaiko fotsiny aloha :

  •  Mampitombo ny mémoire
  •  Mampitombo ny capacité d'analyse sy synthèse
  •  Mampitombo ny vitesse de calcul
  •  Mampitombo ny fahaizana manao rafitra rehefa manao zavatra
  •  Mampitombo ny fahaizanao mi-gérer ny stress

Ireo tsininy kely indray

Tanisaiko fotsiny ihany indray :

  • Mandany fotoana be , indraindray
  • Maha antitra raim (misy ohatra maro @ io)
  • Manimba fo raha vao olona be émotion
  • Mahatonga fizahozahoana be indraindray

Toro-hevitra ho an'ireo zandry kely

Na dia eo aza ireo voalaza ireo aloha ireo dia azo lazaina hoe tsara ny mianatra Echecs, ka ho an'ireo zandry kely manana finiavana dia mamporisika aho hianatra, indrindra ireo latsaky ny folo taona.

Tandremo anefa ! Aza atao fivelomana

 Misy ihany kosa anefa ny hambom-po sy finiavana kely hoe mba te ho lasa lavitra. Marina ny azy fa mba torohevitra ny ahy hoe aza atao fivelomana sy fidiram-bola, asio zavatra hafa hivelomana dia ataovy fanampiny fotsiny , izany hoe ho an'ireo zandry kely aza hajanona ny fianarana fa tohizo!

Izao no mahatonga ahy hiteny an'izany, voalohany aloha isika tsy ampy fitaovana sy tsy ampy vola hiomanana. Ry zalahy katraka be reny izay afaka miantehitra fa ampy azy ny vola azony @ Echecs manana Entraineur betsaka, dokotera misahana ny sakafo, dokotera manaramaso amin'ny fanantajahan-tena (ilaina mantsy io amin'ny resaka endurance), ireo aza mbola vitsy ihany fa matetika ny 20 voalohany @ classement ihany.

Raha ho an'ny ambiny izany dia tsarovy fa be dia be ny GMI (Grand Maitre International) sy MI (Maître International) mihainohaino fotsiny amin'izao indrindra ireo avy any @ pays de l'est dia ny ataon-dry zalahy manafika tournoi madinidinika fotsiny na miloka eny rehetra eny. Raha fintinina zara raha mahazo akory @ farany.

Dia izay aloha ny fampidirana fa mitady ho lava loatra fa amin'ny manaraka indray manoronoro izay mba kely hay eo e!

 


Hevitra

Powered by LifeType