Diam-penina

Endrey ry Dada sy Mama

Fiainana — Nampidirin'i fraz @ 13:32

"I Neny nibaby, nitaiza nanasa. I Dada isan'andro torovana miasa" 

Eh dia mahavariana ny fitiavan-dray aman-dreny ry namana isany. Tsy mitandro hasasarana sy tsy mba mitsitsitsy mba hahasoa ny zanany. Tsy mitaraina aminao izy raha misy zavatra manjo azy , raha marary izy miteny aminao fa salama foana. Mangataka izay zavatra tinao ianao, miezaka izy ireo ny hanome anao an'iny.

Ny zavatra tsy ho adinoko ary ho tsaroiko mandra-pahafatiko dia indray mandeha izay aho narary , tsy nanam-bola ny ray aman-dreniko tamin'izay, tsy nitaraina aho kanefa hitany natory teo am-pandriana dia nanontany izy hoe fa maninona ianao ? Dia somary reraka ho'a fa matory sy maka aina kely fotsiny.

Dia nandeha izy, i dada io , lasa izy nivoaka tany ivelany tany. Niverina avy izy nitondra calcium sy vitamine ho ahy. Izay vola notahiriziny ho atao tahiry sy vatsy , nolaniany tamiko daholo. Nalahelo aho tamin'izay nefa sady faly ihany koa, satria tsapako fa tia ahy ny ray aman-dreniko.

Ankehitriny raha mbola azoko atao koa arak'izay tratry ny heriko manontolo dia ny hamaly fitia azy ireo zareo. Hiezaka aho mba hampifaly sy hampiadana azy ireo,hampilamin-tsaina hanome azy izay zavatra tsy azony taloha noho izaho.

Ho anareo izay mamaky an'ity, dieny mbola tsy tara loatra raha azo atao, araraoty ny fotoana rehetra na dia kely monja aza , eny fa na dia taratasy kely misy teny mamy fotsiny aza, handraisana anjara amin'ilay teny hoe "valim-babena".

Ka izao no lazaiko : 

"Ianareo no naha toy izaho ary  matokia ahy fa tsy ho adinoko mandrakizay ianareo."

Misaotra ry Dada sy Mama ! 


overwrite css

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 09:59

Nanandrana ilay overwrite css fa dia tena voahitsaka daholo mihitsy ny tao satria dia lasa menamena be ilay pejy. Mety ilay template nosafidiako angamba no tsy nahazaka.
Ary inona no dikan'ilay hoe Nouveau Template io  ? Afaka manao upload ve sa ahoana fa nanandrana aho fa toa mikohaka fotsiny nedala.
Misaotra ny mpikarakara mamaly. 


Hianatra Echecs ? Atao inona

Echecs — Nampidirin'i fraz @ 08:07

Fampidirana fotsiny aloha no ataoko ato amin'ny voalohany.Araka ny fantantsika rehetra dia lalaon-tsaina ny Echecs, izany hoe mila mampiasa saina fa tsy afaka atao automatique fotsiny.

Dia mety manontany tena ianao hoe hianatra Echecs mba haninona anefa ? Dia izao no mba toro-hevitro hoe ataovy fialam-boly fotsiny ihany. Fa alohan'izany aloha dia andraso teneniko eto ny zava-tsoa sy ny zava-dratsy (misy mantsy) mety ho azo


 (tohiny)

Hilalao Eseky !

Echecs — Nampidirin'i fraz @ 07:57

Dia nanapa-kevitra aho dia hiresaka Echecs ihany koa ato amin'ity Blog ity. Betsaka moa no azo ambara mikasika azy ity fa dia ho hita mian-dalana eo. Fa aza adino fa eto amin'ny serasera.org dia efa misy site anankiray azo hilalaovana "Echecs par Correspondance", izany hoe tsy voafetra ny fotoana fa rehefa manam-potoana ianao dia manisaka , ary ny mahatsara dia mahazo mail ianao rehefa nikisaka ny adversaire.

 

Tsidio ary ny http://lalao.serasera.org 


Mailing-list (infogasy.net)

Ankapobeny — Nampidirin'i fraz @ 12:30
Dia voapetraka indray aloha ny mailing-list ao amin'ny sehatra IFG.

Ny namana hery (serasera.org) no namolavola ny module drupal hahafahana manao an'zany. Izany hoe module drupal mampinfandray groupe google sy drupal.
Isaorana azy be dia be izany.

Dia mbola hitohy eo ihany moa ny fanatsarana fa mbola betsaka ny zavatra tiana atao.

«Mialoha   1 2

Powered by LifeType